Tsy misy andro mihiratra

Tsy misy tondro mazava intsony ny fiainam-pirenena,


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

fa toa mandeha fahoany fahoany, tsy fantatra izay làlan-kizorany sy hifarany hatreto.

 Ara-politika, mangingina ny fanoherana, saingy azo adika amin’ilay antsoina hoe : « silence assourdissante » na fahanginana mahery vaika sy mifono hevi-dalina, ka mety hampametra-panontaniana ihany hoe : inona no ao ambadika sy hevitra fonosiny ? Ny sary mitranga aloha dia maneho sy manamafy, fa tsy any amin’ny fanoherana ny sakana tsy hahafahan’ny fitondrana hanatanteraka ireo vina sy heveriny fa fampandrosoana tiany hatao, na vina tiany hotanterahana na famahana olam-bahoaka tiana hotontosaina,… fa matoa tsy mahomby sy mitsefotra izay atao dia ny tsy fahaiza-manao sy tsy fahaiza-mitantana miharihary. Misafotofoto ny zava-drehetra, mikorontana ny fiainam-bahoaka, mandry an-driran’antsy ny Malagasy, tsy milamina ny tany, tsy zaka ny vidim-piainana,… Tena tsy misy andro mihiratra ara-bakiteny. Fanesoana vahoaka ny filazana fa efa mandeha sy mipaka amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fampandrosoana. Ny zava-misy eran-tany mihasarotra, miha miova ny lamina sy ny politika ara-toekarena, miha mifehy tenda ireo firenen-dehibe, miova ny tsio-drivotra ara-jeopolitika,… Toa tsy mba rototra anefa ny mpitondra mpiantehitra amin’ny hataka sy trosa fa ny Malagasy hatrany no mizaka ny ngidiny. Dia mbola hanantena fahagagana ve ny valalabemandry ? Mbola hino ronono an-tavy sy fivarotanana am-pitsanganana ? Sao dia mba tokony hanao tanala very sampy amin’izay ka ny manova ny mety e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT