Tsy milamina

«Tsy milamina akory ny tany dia ianao


  • Alarobia 21 Febroary 2024

mahasahy mandeha irery!», hoy ny hiran-drizalahy Mahaleo izay.

Asa moa amin’izao vaninandro iainantsika izao, Madagasikara eto no resaka, raha mbola misy an’izay hoe mahasahy mandeha irery izay, indrindra, amin’ireo toerana malaza ho mafampana fa dia tena izay tokoa aloha no marina tsy azo lavina amin’izao fotoana izao. Tsy milamina ny tany. Miditra anatina fiara fitateram-bahoaka ianao na amin’iny eny Anosy iny na eo Behoririka eo na ao Isotry ao sy ny tariny rehetra dia matetika saika maheno mitandrema fa raha vao izy izay no somary manao arotava na «cache bouche» tsy hita maloto, tsy hita madio, maimbo helika, diso tia mikisikisina aminao loatra dia mba mailo ihany fa izy izay. Inona moa io lazaina hoe izy io izay fa dia tontakely e! Mpangaro-paosy! Mandeha tongotra eny amin’ny arabe indray ianao dia tsenain’ny mpanendaka sy ny mpangaro-paosy. Ny eto an-drenivohitra toa an’Antananarivo izay fa ny any Ambanivolo moa dia ireny mbola iaraha-mahita manjaka ireny ny asan-dahalo sy fanapahana lohan’olona na fakàna voamaso. Tato ho ato indray izao manerana ny faritra ny biby hafahafa. Mihinana ireo biby fiomby toy ny omby sy kisoa izy teo aloha fa omaly izany dia heno hoe nihinana olona tsy nahafantarana akory na dia ny mombamomba ny razana nohaniny tao amin’ilay faritra mihitsy. Nisy nilaza ho efa nahita izany mihitsy moa. Mandry an-driran’antsy ny mponina kanefa etsy ankilan’izay dia inona moa izany no ataon’ilay mpitondra? Mirehareha fa hoe nanondrana volamena milanja 2kg tamin’ny fomba ara-dalàna nefa ny raharaha nahakasika volamena nilanja 73,5kg na 48kg sy ny nivadika vy tsy hita mazava hatramin’izao izay tena nangarahara mikasika azy. Ry zareo an-jatony nirentirenty nankany Dobay, hoy ny vazivazy zaritenan’ireo mpanara-baovao izay fa isika navelany eto ho diboka an’ilay aleo tsy ho lazaina. Mbola nizezitiavany nivily kely tao Addis Abeba mihitsy aza moa, hoy hatrany ny fanalana hamohamontsika voatery mitazana fotsiny fa ho aiza ankoatran’ny eto tokoa moa? Miandry ny fahatsapan-tenan’izay tokony hitarika amin’ny fandraisana andraikitra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT