Misy fetrany ny fandeferana. Efa natao ny ala nenina fa tsy hita ihany izay fiovam-po avy amin’ny ankolafy Rajoelina koa dia nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny fiaraha-miasany amin’ny fitondrana tetezamita ny ankolafy Ravalomanana.
Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mihitsy no nanambara izany teny amin’ny Magro ny alatsinainy 30 aprily teo. Miandry ny fanapahan-kevitry ny SADC ity ankolafy ity vao mety hiverina anaty tetezamita indray. Izay no izy, rava ny fiaraha-mitantana satria ankolafy tokana sisa no ao anaty tetezamita, dia ny ankolafy Rajoelina. Milaza ny ho hery afovoany ny HPM saingy hita soritra ihany ny fitongilanany kely any amin’ny filohan’ny tetezamita.Tsy miteny intsony koa ny hoe hery afovoany mpanelanelana ao anaty rafitra rehefa ankolafy tokana sisa no mitantana ao. Raha ny tena marina izany dia tokony hiato ihany koa aloha ny fampiharana ny tondrozotra satria efa tena tsy mandringa intsony fa mihisatra amin’ny tany ilay fiaraha-mitantana, izay fototra iorenan’ny tondrozotra. Tahaka ny hoe mahandro vary tsy misy rano, ny endriky ny tetezamita amin’izao fotoana.
Ankolafy telo goavana izany izao no eny ivelan’ny tetezamita ka miandry izay ho fihetsiky ny filohan’ny tetezamita sy ny mpiara-dia aminy ny rehetra. Hikaroka vahaolana hampitony ny rehetra ve izy sa hanohy samirery ny lalany ? Ho hita eo ihany koa ny hambaran’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana. Rava mantsy izao ny marimaritra iraisana, izy rahateo efa tsy dia tsara fifandraisana amin’ny filohan’ny tetezamita. Azo lazaina fa miady irery izao ingahy Beriziky rehefa tsy ho ao anaty governemanta intsony ireo minisitra 5 avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy hahatohitra ny rodorodon’ny minisitry ny ankolafy Rajoelina ireo mantsy ny olon’ny Profesora Zafy Albert ao anaty governemanta.
Mikorontana tanteraka ny tontolo politika ankehitriny, na ny ao amin’ny governemanta io, na ny ao amin’ny Parlemanta izay nanomboka ny fivoriany omaly. Raha ny fahitana ny ankolafy Ravalomanana manokana aloha, dia hiroso amin’ny dingana manaraka mafimafy kokoa izy ireo, izay efa nosantariny tamin’ny fidinana an-dalambe omaly. Tsy milamina ny tany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.