Edito

Tsy milamina ny tany


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Miakatra ny maripana politika eto amin’ny firenena, ka toa misy tsio-drivotra hafahafa izany. Manomboka hita taratra ny mety hamafin’ny gidragidra tsy hifankahitana,

 

 

 raha jerena amin’ny resaka fifanolanana eo anatrehan’ny fanatanterahana ny fifidianana fotsiny. Na hiroso isika na hihemotra, dia efa mandindona foana ny loza ho an’ny firenena. Hisy hatrany mantsy ny fanakorontanana satria efa hatrany am-piaingana no efa tsy nilamina. Ireo heverina ho rafi-panjakana arofanina farany aza efa niaraha-nahita ny nafitsony. Tany amin’ny fitorian’ny depiote 73, dia efa tsy mipetraka intsony ny fitokisana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ho rafitra ho lohalaharana amin’ny fampanajana ny lalàmpanorenana, rehefa nanaiky ny filoha nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana saingy narovana raha sazy no tokony ho setriny. Ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy, dia hatry ny ela no toa tsy nisy napoaka ary toa tsy misy mpihaino ka tsy mahatafavoaka baolina. Ny Raiamandreny am-panahy ao anatin’ny FFKM toa tsy dia re firy na efa halohalika aza ny ranombary. Etsy an-kilany, manomboka fohazina hatramin’ny fampiadiana nataon’ny mpanjanatany fahagola ka  tonga hatramin’ny hoe nahoana moa no ianareo avy eto avofoan-tany foana no hitondra an’i Madagasikara ? Dia hifamingana sy hifanjevo eto foana ve fa tsy mba ho tonga saina hiombona hiara-kanarina ity firenena ity e ?  Sa hoboriboriana amin’ny hoe sao dia efa voaozona ity tanintsika ity ka aleo samy manao izay hihinanany ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT