Manasokajy an’i Madagasikara ho anisan’ireo firenena tsy azo antoka eo amin’ny sehatry ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny sehatra iraisam-pirenena taorian’ny fakana an-keriny ilay diplaomaty misolotena an’i Korea atsimo sy ilay zanaka karana mpianatry ny sekoly frantsay iray tany Toliara farany teo.
Tena manaratsy laza an’i Madagasikara izany ary mety ho noho izany angamba no nahatonga ny governemanta nanapa-kevitra ny hikaroka paikady vaovao hametrahana ny fandriampahalemana eto amintsika. Mampihemotra ny mpizahatany sy ireo mpampiasa vola vahiny ny tsy filaminana sy ny firoboroboan’ny fakana an-keriny eto amintsika. Efa ho isan’andro vaky izao mandry no andrenesana fa nisy olona naka an-keriny indray. Milaza ny miasa ny mpitandro ny filaminana saingy sahirana ihany koa satria tsy mampandre azy ireo ny zava-misy marina ny fianakavian’ireo nisy naka an-keriny, noho ny tahotra sao hovonoina ny takalon’aina. Ana miliara ariary ny vola mihodina ao anatin’ity afera maizina ity, ary hita fa efa tambajotran-jiolahy manana paikady matotra sy mpaniraka no manao ilay asa ratsy. Ny lesona azo tsoahana dia :tsy milamina eto izany e ! Tsy misy adim-poko eto, tsy misy ady an-trano, tsy mbola ahitana fanapoahana baomba ataon’ny silamo mahery fihetsika…saingy efa misavorovoro matetika, mikorontana isaky ny mihetsika, enga anie ka ho voarafitra haingana ilay paikadin’ny fanjakana, fa raha mbola ela fikenona eo dia hitovy lenta amin’ny Nizeria sy Libia ary Siria ihany atsy ho atsy ity Madagasikara ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.