Edito

Tsy milamina intsony !


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Tsy milamina ny tany sy ny firenena ! Mihamafy ny savoritaka sy ny lonilony politika, ary mitana ny sain’ny maro indray izao ny fisian’ny fipoahana baomba teny amin’ny foiben’ny antokon’ny fitondrana. Iza no ao ambadika ary inona no tanjona ?

Sarimihetsika natao hamiliana saim-bahoaka manoloana ny toe-javatra hafa misintona ny sain’ny olona ve ? Tsy tongatonga ho azy ireny, ary manaporofo ny fiakaran’ny maripana ara-politika eto. Mbola hitana ny sain’ny maro amin’ity herinandro ity hatrany ny resaka savorovo eny amin’ny antenimieram-pirenena momba ny adihevitra sy fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana, ka tsy hay intsony izay mety ho fifandraisan’ireo toe-javatra mifamahofaho ireo. Valalanina ny vahoaka izay efa tena tototry ny fahantrana sy ny fahasahiranana hoe : inona ihany ity mitranga eto amin’ny firenena ity ? Ny mpanao politika tsy mety mifanara-tsaina satria baikon’ny ady seza sy tombontsoa. Ny vahoaka mitrongy vao homana ara-bakiteny, saingy toa tsy taitra intsony fa manaiky lembenana sy mora hambakaina. Malaza etsy Tsimbazaza, ohatra, ity resaka fanambazana ara-bola ny depiote hampandany volavolan-dalàna ambaran’ny hery politika mpanohitra fa mety hampidi-doza. Mety hosokajiana ho mpamadika tanindrazana ireo minia mandany izany, eny fa na ireo nanohitra aza mety hiova hevitra rehefa midangana ny volabe. Lany ihany anefa ireny rehefa tonga ny fifidianana. Malaza amin’ny kolikoly, famarotana tanindrazana, afera maloto,… ny mpitondra, saingy mety ho mbola jamban’ny vola kely tsy iray alina na dimy arivo amin’ny propagandy ny Malagasy sasany. Mila fahatongavan-tsaina haingana dia haingana !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT