Edito

Tsy milamina eto e !


  • Talata 29 Jolay 2014

Anarany fotsiny mba firenena tsy misy ady na asa fampihorohoroana isan’andro taha ka ny any Irak, Libia, Nizeria, Palestina i Madagasikara saingy mitovy ihany ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny mponina ao aminy sy any amin’ireo firenena miady an-trano ireo.

Tsy miady tsy miady fa…mitovy ihany ny fahavoazana. Re amin’ny resaka ataon’ny olona etsy sy eroa ny tebiteby amin’ny hoavin’ny firenena sy ny isan-tokantrano. Tsy milamina ny firenena, kanefa afaka iray volana mahery kely dia efa hiditra  ny mpianatra. Ny eny amin’ny oniversite moa dia mikorotan-dava mitady hiparitaka manerana ny nosy io. Na dia efa fantatra tsara aza ny zava-misy teny Vontovorona, dia tsy hain’ny mpitantana sy ny mpitondra ny namaha haingana ilay olana, dia io fa tafiakatra eny Ankatso, izao indray tonga hatrany Fianarantsoa, Toamasina…ary raha izao no mitohy ahiana hisavorovoro ihany koa ny ao Mahajanga. Sanatria ve dia  tsy ho hita taratra eto amintsika mihitsy ilay hoe : mpitondra mahay misoroka ? Toa mpitondra mpamono afo sy mpampiesona no misy eto, kabary no betsaka fa amin’ny manaraka izay tsy fantatra hoe rahoviana ny tena asa. Ny zava-misy izany izao dia tahaka ny rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany fotsiny Ramalagasy, tsy misy paikady matotra hiatrehana ny fisondrotry ny saran-dalana sy ny vidim-piainana aorian’ny fisondrotan’ny solika. Zavatra tsy maintsy hitranga anefa io. Fa dia miandry eo fotsiny fa …gasy e ! Izany no mahatonga ny olona lasa miasa amin’ny sehatra tsy ara-dalàna, efa leon’ny miandrasa lava an’ny fanjakana izy ireo, leon’ny resabe, leon’ny adilahy politika, leon’ny fampanantenana isaky ny misy fifidianana.Tsy maintsy arindra anefa ny fiarahamonina, ary manaja ny lalàna velona ny rehetra. Tsy mbola milamina eto e !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT