Edito

Tsy milamina e !


  • Alarobia 17 Jona 2015

Mihodinkodina ihany fa toa tsy misy fiovana ny toe-draharaha politika eto amintsika ! Mifanesisesy indray aloha izao ny fanambarana etsy sy eroa. Mbola mampiady hevitra ny maro ilay didy navoakan’ny HCC

 


. Tsy azo iadian-kevitra intsony iny fa rehefa izay dia izay. Mivoaka anefa ny resaka izao fa hoe misy mangataka fanazavana misimisy kokoa momba iny didy iny, ka asa raha hanaiky hanao izany ny HCC ka hanisy didim-pitsarana tovana tahaka ny natao tamin’ny tondrozotra. Azo antoka fa hanakorontana avy hatrany mantsy io, raha tsy hoe …efa izay mihitsy angamba no tanjona. Manahirana ny toe-draharaha, miverina indray ny adilahy politika, ka na dia tsy mbola misy akory aza ny fandravana ny antenimieram-pirenena dia efa misy ireo andian’olona manonofy sahady hahazo toerana ao anatin’ilay antenimieram-panorenana na « assemblée constituante ». Tahaka izany ihany koa ny momba ny governemanta vaovao mety hijoro, izay ambara fa ho governemanta iaraha-mitantana, hono. Dia efa misy koa ireo mieritreritra ny tenany ho minisitra. Ka inona moa izany fa tsy ny sarety no mandeha mialoha ny omby e ! Tsy milamina !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT