Edito

Tsy milamina


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Miha mandroso lalina any amin’ny fifidianana ihany isika amin’izao. Samy mametrapetraka ny paikadiny ny kandida tsirairay avy,

 

 

 saingy tsikaritra ihany ny resaka tsy milamina momba ny sasany. Tao ny efa hatry ny ela no nangalatra fiaingana, saingy toa tahaka ny sosoa voatapo-drano ny ekipa satria nijanona tampoka ilay famoriam-bahoaka sesilany nandaniana vola be. Efa tratry ny don-tany sy kapo-tandroka tany ampitan-dranomasina vao gaga ny rehetra fa       hay efa any ilay olona iny. “Tany am-baravaran’ny mpamosavy no nanoko sikidy”, hoy ilay fitenenana. Aiza ve ka any amin’ny olona galy fantsy amin’ny resaka demokrasia no mba miana-kendry hanome moraly, kanefa fanta-poko fanta-pirenena izao ny nafitsoka. Dia gaga ialahy, hoy ny hanihanin’ny tanora. Ny raharaha maloto mahasaringotra ny akama na izy tenany mihitsy moa dia mbola eo hatrany, ary liana ny maro hoe: ahoana ny ho tohiny ? Ny hafa indray rehefa avy nanaja tena mba ho fanajana ny lalàna, ka niala tamin’ny toerany, dia re fa lasa nitsaitsaika mangingina any andafin’ny riaka any ihany koa. Mba maka rivotra kely sa haka vatsy hiatrehana an’ity raharaha manga ity ? Toa hifaninanana mihitsy io mankany andafin’ny riaka io tato ho ato. Malaza rahateo ny lisitr’ireo kandida tohanan’ny firenen-dehibe ary re fa efa misy fifanarahana vita sonia tany ho any. Samy manana ny paikadiny tokoa angamba io ka tsy hifanomezan-tsiny be loatra. Ny mason-dRamalagasy no mila ahiratra  tsara hoe: iza no tena sahy mijoro ho an’ny firenena sy niady ary mbola hiady ho an’ny tanindrazana ka tsy manaiky lembenana eo anatrehan’ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT