Edito

Tsy milamina


  • Alakamisy 13 Novambra 2014

Nandritra ny filankevitry ny governemanta omaly vao noresahana mazava tsara ny hetsika ho ataon’ny fanjakana Malagasy momba ireo boaderozy mihitsoka any ivelan’i Madagasikara.

Hisy ny delegasiona roa hihazo ireo firenena misy ireo hazo sarobidy ireo ka tanjona ny hametrahana fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry fitsarana, fadin-tseranana ary ny fifampitam-baovao. Hijery imaso ireo boaderozy ihany koa ny delegasiona ary handinika ny fomba hamarotana azy ireo. Nahagaga ihany ity fitarazohan’ny fandraisana andraikitra ity satria efa tamin’ny volana mey no tratra ireo boaderozy tany Mombasa Kenya, raha tamin’ny volana Jona kosa no tratra ny tany Singapour. Nahoana no aty amin’ny tapaky ny volana novambra vao mihetsika ny fanjakana malagasy ? Sa ve sanatria efa nisy ny hetsika  tsy ofisialy efa natao, fa izao kosa vao mody ampahafantarina ny fanapahan-kevitra ofisialy ? Maro mantsy ny resaka nandeha momba ireto boaderozy tavela any ivelany ireto, anisan’izany ny hoe : misy ny tetika hivarotra an-tsokosoko azy ireo ary misy anarana olona ambony efa voatonontonona ao anatin’izany mihitsy. Ny zavatra tahaka izao no mahatonga ny olona tsy hahatoky ity fitondrana Rajaonarimampianina ity, be loatra ilay manjavozavo, tsy fantatra intsony na fitavozavozana vokatry ny tsy fahaizana mitantana ilay izy na mba mody fanina fotsiny ny mpitondra fa efa manana paikady hafa, ka ny vahoaka no ampiesonina eto. Inona moa no nanakana ny fanjakana malagasy tsy hihetsika haingana, vantany vao tratra ireo hazo sarobidy ireo, raha tamin’ny volana jona ve ohatra no efa natomboka ny fifampiresahana sy fifampidinihana tsy efa hita ny vahaolana tahaka izay.Misy zavatra tsy milamina a !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT