Edito

Tsy mila kobaka am-bava


  • Alarobia 09 Oktobra 2013


Hita tamin’ny fampielezan-kevitra omaly, fa misy ny kandida tsy dia mahazo olona firy rehefa tsy miaraka amin’ny artista manafana ny lanonana. Midika izany fa nanaitaitra tany am-boalohany fotsiny ity kandida ity fa rehefa tena raikitra isan’andro ny fampielezan-kevitra dia tsy manintona olona firy intsony ny zavatra ambarany. Misy koa ny kandida hita fa tena tsy mitsitsy vola aman-karena fa dia mirobaroba araka ny fomba fiteny tokoa. Miezaka manaitra sy mandresy lahatra ny olona amin’ny fandaharanasany, mampiasa ny paikady rehetra mba hambaboana ny fon’ny olona. Izay efa nifanerasera tamin’io kandida io anefa, fony izy mbola mpandraharaha ara-toekarena fotsiny ary tsy mbola nanao politika dia samy mahafantatra fa miavona sy somary manambony tena izay indraindray izy. Fa rehefa tonga moa ny fampielezan-kevitra dia lasa mahay mitsiky amin’ny sary sy lasa tsara fanahy, akaikin’ny vahoaka. Milaza fa niara-nihosina tamin’ny vahoaka daholo ireo maika ny hahazo fahefana.

Rehefa dinihana ny propagandin’ny kandida sasany dia toy ny entam-barotra izany ny fivavahana sy ny fon’ny vahoaka mpifidy ! Efa manomboka tsikaritra ihany anefa ny kandida tena manana fandaharanasa matotra, azo tanterahana sy ny mampanonofy sy be lazao fotsiny. Inona moa no mbola azo antenaina amina ekipa iray, hita fa sady tsy mahafaty baolina, no manao baolina an-kamely, sady mbola miady amin’ny mpanohana ny ekipa hafa, ary mbola manangam-bovona amin’ny olona any ivelan’ny kianja ? Ahoana no inoana fa hiova tampoka eo ka lasa mahay miara-miasa amin’ny rehetra sy hampanjaka ny mangarahara ny olona nanakarama miaramila mba hanongam-panjakana ? Ahoana no hahatokisana fa hampanjaka ny demokrasia ny olona nanampim-bava sy nanenjika ary nanagadra izay rehetra tsy mitovy hevitra aminy . Tsy mitombina ny fitenenana hoe sarotra ny fanapahana, raha amin’ity fifidianana indray mitoraka ity, satria dia efa mazava be ny lalan-kizorana raha tena te handroso sy hanatsara ny fiainany marina Ramalagasy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT