Edito

Tsy mihitsoka, tsy mandeha


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Izay tsy mihetsika mihitsoka, izay tsy mahandry mandeha!”, hoy ny fehezanteny tena namantarana izany ngezalahin’ny literatiora malagasy antsoina hoe Elie Rajaonarison izany,

izay notsarovana omaly moa ny tsingerintaona naterahany na dia efa nodimandry aza ity olomangan’ny firenena ity. Mijery ny raharaham-pirenena ankehitriny anefa isika dia tena lasa ny saina satria hita ho sady tsy mihitsoka izany nefa koa toa tsy mandeha? Tsy ambony tsy ambany ohatry ny lohalik’alika, hoy ny fitenin’ireo razambe izay. Raha ny mpitondra sy ireo mpiaradia aminy aloha no hametrahana ny fanontaniana dia inoana fa efa mahazatra ny valinteny ho heno. “Mandeha ny fampandrosoana ny firenena” na koa hoe “mandeha ny fampandrosoana miaraka amin’I prezida Andry Rajoelina” dia rehefa hanontaniana hoe inona no manaporofo izany dia efa hay tsianjery koa ny valiny fa kianja manara-penitra, EPP manara-penitra, hopitaly manara-penitra sy izay heverin’izy ireo fa manara-penitra rehetra. Ireo tarehimarika nilaza sy milaza ny fihemoran’ny firenena amin’ny sehatra maro dia sahin’ireo tomponandraikitra sy mpitondra mihitsy ny mandiso na mitsipaka izany. Isan’izany, ohatra, ny tarehimariky ny “reporter sans frontière” izay naneho fa very toerana 41 isa be izao ny fahalalahana manao gazety eto Madagasikara saingy dia vitan’ny minisitry ny serasera ankehitriny moa no nilaza fa tsy mitombona izany. Io koa izao farany teo ny olana eo amin’ny orinasa Pharmalagasy izay efa hatramin’ny volana jolay no nisian’ny resaka olam-pitantanana sy tsy fahefana ny karaman’ireo mpiasa kanefa dia tamin’ity herinandro ity, 5 volana aty aoriana vao hoe hitory ny gazety frantsay iray dia iny koa fa nipoitra ny hoe olana eo amin’ireo mpandraharaha litchis sy ny RFI ary ny Transparency international. Rehefa sady tsy mihitsoka no sady tsy mandeha ve moa izany dia inona no ankoatran’ireo? Efa fantatry ny rehetra angamba ny valiny!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT