Edito

Tsy mihetsika


  • Alarobia 13 Aprily 2022

Izay tsy mihetsika mihitsoka, izay tsy mahandry mandeha, hoy ny mpanoratra, Elie Rajaonarison, izay

 

. Dia samia tokoa ary varimbarian-dalao eto foana na hoe mandrimandry manana aretina, hoy ilay fiteny azy izay. Miakatra, midangana efa ho isan’andro ity ny vidin’entana eny an-tsena. Tsy zarizary ny fiharian’ny mponina. Manahirana ny fampiakaram-bokatra kanefa dia efa tsizarizary koa izany vokatra izany manoloana ity fahasimban’ny tontolo iainana miseho lany hatrany ity. Mbola tsy fiantraikan’ilay ady any avaratra any akory no miseho eto an-tanana, hoy ireo mpamakafaka izay, dia efa izao sahady. Na inona na inona aloha fanazavan’ny tompon’andraikitra sy manam-pahefana dia tsy mihetsika amin’ny efa niainany teo ny olan’ny vahoaka Malagasy. Vao miha mihombo aza. Ny tranga tsy mazava sy mampanongo tena na ilay antsoin’ny vazaha hoe “scandale” anefa ity no miseho lany isan-tsehatra. Izany no mba karazana vaovao mafana na hoe “actualité” eto amin’ity firenena isany lohalaharana amin’ny fahantrana eto ambonin’ny tany ity. Niseho izany tany amin’ireo minisitera. Hita ihany koa tany amin’ireo andrim-panjakana hafa. Izao na hatraty amin’ny tontolon’ny fitantanana ny sehatry ny fitandroana ny filaminana koa aza efa manomboka maha lasa saina ny maro hoe aiza koa no hisy an’izany zandary sandoka izany dia 2 taona aty aoriana vao traingo, hoy ny filazan’ny tanora azy izay? Amin’io miara-maka sary tamin’ny akama rehetra tao, nilalao basy, nilamindamina niara-nisotro labiera sy ny ambiny rehetra? Ny vahaolana etsy an-kilan’izay anefa dia famindramindrana olona amina toerana isan-karazany no miseho anatin’ilay fitondrana. Toa manolo tsy manolo izany koa aza fa rehefa naha be resaka tao amina minisitera dia nafindra departemanta hafa fotsiny! Ny sasany natao tale. Ny sasany natao ambasadaoro. Ny sasany izay mbola tsy tafaverina angamba efa nahazo toky fa tsy maintsy mbola hahazo ny anjarany farany ihany. Tsy misy matoam-baovao mba mandranitra sy mikolo ny saim-bahoaka hampitsiry fanantenana azy mihitsy ve izany fa dia izany lalao fifanakalozan-toerana tsy hanome azy afa-tsy fahantrana tsy mihetsika sy vao mainka mihombo izany foana no ho fahanana azy eto ?
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT