Edito

Tsy mifidy saranga


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Vanim-potoana isan’ny mafy teto Madagasikara ny nisian’ny valanaretina pesta tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina. Somary nosokajiana ho aretin’ny mahantra sy ny sahirana satria noho ny loto sy ny fako rahateo no isan’ny nampirongatra azy.

 

 

 Namoizana ain’olona an-jatony tamin’izany. Nandeha ny karazana eson-teny, fanenjehana mivantana sy ankolaka,… nahazo ny fitondram-panjakana. Nanaovana sary miendrika fanompana hatramin’ny Filoha tamin’izany. Ankehitriny, tsy mifidy tavan’olona, tsy manavaka saranga ny coronavirus. Ilay minisitry ny fahasalamana isan’ny nizaka ny henjika mafy tamin’ny fotoanan’ny pesta dia isan’ny tratry ny valanaretina coronavirus. Voa hatramin’ny olona ambony, misy mihitsy ny mamoy ny ainy. Mampanahy ny fisiana fahafatesana tampoka maro tato ho ato, ary maro no olona ambony nanana na manana andraikitra eto amin’ny firenena no isan’ny lasibatra. Tsy voatery ho valanaretina, saingy betsaka ny ahiahy, hatrany anaty governemanta no nandrenesana fa misy minisitra voa saingy tsy misy ny serasera ofisialy. Ny antenimieram-pirenena ihany koa tahaka izany. Raha hatao ny fampitahana tamin’ny andron’ny pesta sy ny amin’izao, dia samy zava-dratsy ho an’ny firenena aloha, samy namoizana ain’olona,… Tena loza hivavahana tsy hiverina intsony. Ny voka-dratsy ara-toekarena kosa dia tena tsy mbola nisy tahaka an’izao iainantsika izao teto Madagasikara na nambara aza fa tsy mafy noho ny pesta sy ny kôlera io. Mora ny nanenjika ny fanjakana tamin’izany, saingy io fa tratry ny fitsarana ihany koa ny fanjakana ankehitriny. Natao ny serasera nilazana fa efa voafehy ny valanaretina, kanefa ny maty sy ny voa mitombo ihany. Mora ny manenjika sy manakiana rehefa tsy eo amin’ny toerana. Na izany aza, mbola lesoka lehibe ho an’ny mpitondra eto amintsika ny tsy fanekena fa nisy ny fahadisoana. Hanakonana ireny dia hamafisina ny famokisana resaka fampanantenana vahoaka, faritana hatao daholo izatsy sy izaroa,… ka toa lasa voky resaka ny resaka ny Malagasy fa izay tena vahaolana tsy hita mazava.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT