Mamaky ady amin’ny Kaominina sy ireo Taxi-bisikilety ao Ambatondrazaka, mandà ny fandaminana apetraky ny fiadidiana ny tanàna.
Tonga any an-tokotanin-tsekoly ny basy tao Toamasina, amin’ny afitsoky ny olona maneho fahefana amin’ny fahalalana mpitondra ambony. Mihenjana ny tady eo amin’ny mpitsabo mpanampy sy ny fitondrana. Hanidy trano tsy hampianatra ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Seces Antananarivo, mandritra iny herinandro ho avy iny. Inona no hitranga fa tapitra ny fe-potoana nomen’ny zandary eny Fort Duchesne ny fitondrana Fahefana Avon’ny Tetezamita hampahalalana ny vokatry ny fanadihadiana manodidina ny vola 500 tapitrisa ariary voalaza fa nomena ny teo amin’ny ‘Cellule Tactique’ eo anivon’ny Hery vonjitaitran’ny zandary eny an-toerana ? Miantso fifampidinihana hanaovana teny ierana amin’izay zavatra hatao sy hitondrana ity firenena ity i Andry Rajoelina.
Mivoaka ny trano anefa ny mpizaika fa tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitry ny teny ifampierana ny fizotry ny atrikasa. Ny mpizaika sasany eny Ivato no nanasana azy, nefa dia eny an-tsenan’i Mahamasina indray no hita izy ireo. Toa fambara fa tsy mampirisika azy ireny akory ny zavatra niantsoana eny Ivato io, na dia nandraisana vola aza izany ho an’ny sasany. Hany ka endrika efa fahita ihany no hita mandray anjara. Ny tao anatiny indray, satria tiana haseho eo imason’izao tontolo izao fa nandray anjara avokoa ny hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena ka dia nezahina nofenoina olona avokoa ny toeran’ireo antoko politika na dia tsy nandefa olona handray anjara tamin’ny atrikasa aza ilay antoko. Fisolokiana sy fisandohana andraikitra no nandraisan’izay nahita izany. Izany rehetra izany dia endrika isehoan’ny tsy firindran-javatra eto amin’ity firenena ity, saingy misy manao be marenina minia tsy mahita, tsy mahatsapa ary tsy mandre izany.
Tsy mahagaga raha misavoritaka ny atrikasa, teo amin’ny fandaminana sy fandrindrana ankapobeny sy teo amin’ny fandraisam-pitenenana fa dia toa foara. Mihaohao no betsaka. Mety ho izay angamba no tsy nahatomombana ny fandefasana ny sary sy ny feo tamin’ny haino amanjerim-panjakana nankany amin’ny Faritra, nampiaina nivantana ny zava-nitranga omaly maraina tsy arakaraka ny fampanantenan’ny Minisitry ny serasera satria toy ny tsena teny amin’ny Centre de Conférence International Ivato, ny mifamoivoy no betsaka, tsy vonona ny hifampihaino akory, nefa samy eo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.