Mihombo hatrany ny krizy ary miha mafy ny fiainana. Izay ny zava-misy ankehitriny taorian’ny fiakaran’ny vidin’ny solika sy ny fitomboan’ny vidin-jiro sy rano ny faran’ny herinandro teo.
Efa iray volana teo moa no nandeha ny siosion-dresaka tamin’izy io. Niezaka nampitony ny besinimaro ny fitondrana tetezamita ary tsy dia be resaka. Efa nisy ny fifampiresahana tany ambadika tany saingy tsy afaka nilefitra intsony ireo mpandraharaha amin’ny solika fa tsy maintsy nampiakatra. Tanteraka ihany koa ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fiandohan’ny taona, fa dia niakatra izany ny vidin’ny jiro sy ny rano satria tsy afaka ny hanao varomaty ny Jirama izay tena anaty fahasahiranana tokoa. Tsy tafavoaka ny FAT satria niantehitra tamin’ny mokon-doha sy natoky be loatra ireo mpanohana azy any ambadimbadika any. Mody nanasonia ny tondrozotra ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina, saingy raha ny tena hevitr’izy ireo dia tsy misy fiaraha-mitantana izany, indrindra fa raha miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Tsy mbola eo amin’ny toerana afaka miady na mitrerona ny sehatra iraisam-pirenena anefa i Madagasikara, satria tsy mitovy amin’i Iran, na Brezila, na Venezuela. Tena mbola mahantra isika. Tsy fitaovam-piadiana mahomby aloha amin’izao fotoana ny hoe : «Vitantsika io na misy na tsy misy fanampiana avy any ivelany !” Tsara ilay hoe tsy nindram-bola mihitsy no sady mbola nahaloa trosa tao anatin’ny telo taona, saingy tsy nambaran’ny FAT ny tao ambadik’izany sy ny ho vokany aty aoriana. Izao mantsy : tao anaty krizy isika nanomboka tamin’ny 2009. Tapaka ny famatsiam-bola, ambany ihany koa ny tahan’ny fampidiran-ketra. Ny ambim-bavan’ny fitondrana teo aloha, sy izay vola be hafa, tsy fanta-piaviana no nampiasain’ny FAT. Matevina dia matevina koa anefa ny vola navoaka, dia izao hita fa manomboka sempotra izao ny fanjakana.
Matoa tsy hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny fanjakana sy ny mpandraharaha amin’ny solika dia, ao raha ! Tsy manam-bola hanaovana «subvention» intsony ny fanjakana ary tsy mahita vahaolana hafa, ka dia nampiakatra ny vidin-tsolika ireo kaompania lehibe. Natao koa izay rehetra azo natao tamin’ny Jirama, saingy efa tena rovitra ny kitapom-bola, tsy manana arotsaka firy ao intsony koa ny fanjakana, koa dia tsy maintsy nakarina ny saran’ny jiro sy ny rano. Tsy manam-bola ny fanjakana, koa dia mazava ho azy fa tsy hahazo fahafaham-po ireo karazana fitakian’ny sendika isan-karazany, misy ifandraisany amin’ny vola, tahaka ny an’ny SECES sy ny SMM, ary ny mpampianatra, ny mpiasan’ny ala, koa dia mety ho avy indray izany ny grevy. Tsy mety vita ny tetezamita ary tsy mety mivaha ny krizy, fa dia eto izany isika mianakavy… mifankahita eto e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.