Edito

Tsy mety tonga saina


  • Alatsinainy 22 Febroary 2016

Misimisy ihany ny resaka natao sy fampanantenana nokabariana teto

. Anisan’ireny ny hiady amin’ny kolikoly, avela haneho hevitra ny rehetra ka asiana kianjan’ny demokrasia, aoka izay ny mpitondra tsy refesi-mandidy ka aleo apetraka mihitsy ny fitsarana ambony hitsarana ireo manampahefana, hiara-kiasa akaiky ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, hanampy ireo sahirana ny fanjakana ka hizara na hivarotra PPN amin’ny vidiny mora, efa hita ny misy ireo lehiben’ny dahalo any Atsimo, efa voahodidina izy ireo, tsy afa-mihetsika intsony fa miandry fandaminana kely fotsiny sisa dia raikitra ny fanafihana miampy fisamborana … Mbola maro  no azo ambara fa ampahany ireo. Raha tanteraka ireo, efa mba nety tsara ny fiainan-dRamalagasy. Talentan’ny mpanao politika sy ny mpitondra eto amintsika anefa ny fanaovana fampanantenana poakaty. Ny ady seza sy ny fifankahalana kosa dia tena taranja voafehin’izy ireo, miampy ny ady tombontsoa toy ny fiara tsy mataho-dalana, vola hividianana fahana amin’ny finday sy taratasin-tsolika… Miha mahantra isan’andro ny malagasy satria ny mpitantana mihitsy no mampiana-dratsy ny vahoaka, dia samy tia tena eny, samy maka ho azy eny, hany ka tsy misy mihitsy ny tanjona iombonana iaraha-miatrika. Rahoviana vao ho tonga saina e ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT