« Mihodinkodina leitsy a, ity tanintsika ity, ka mahaiza fetsifetsy a..sao ialahy dia mikodia ».
Tononkira tsy zoviana amin’ny maro intsony io, mahafintina tsara ny fiainana an-tany sy ny tokony ho fihetsiky ny tsirairay manoloana izany. Ny olana eto amintsika dia mihodina tokoa ny tany saingy tsy mba fetsifetsy manaraka izany ny mpitondra fa dia miesona tanteraka. Efa fantatra izao fa malaza ratsy maneran-tany noho ny fanonganam-panjakana i Madagasikara nanomboka tamin’ny 2009 ary nisy ny gidragidra sy ny sakoroka teto. Tsy mahatoky antsika intsony ny mpiara-miasa sy ny mpiara-miombon’antoka ary ireo mpamatsy vola. Maivana dia maivana anefa ny ezaka nataon’ny mpitondra tamin’ity repoblika faha-4 ity hanatsarana io endrik’i Madagasikara io. Tsy misy fahagagana eto fa matoa ny nosy Maorisy tafita tamin’ny resaka fizahan-tany, fandraharahana dia nisy ezaka goavambe nataony tao. Tahaka izany koa i Rwanda izay firenena rotiky ny ady an-trano ary nahafatesana olona efa ho 1 tapitrisa. Tafarin-doha izy satria niketrika ary nanana finiavana sy fahasahiana ara-politika ny mpitondra tao aminy. Fa ny eto amintsika dia toa manaraka hatrany ny baikon’ny mpanjanaka fahiny no sady mbola voafehin’ireo andian’olom-bitsy mpambotry firenena amin’ny alalan’ny afera maizina ihany. Tsy tafavoaka mihitsy raha mbola kanosa tahaka izao e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.