Edito

Tsy mety milamina


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015

Ny fandatsaham-bato no vita tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna fa ny famoahana ny vokatra ofisialy mbola zavatra hafa. Maro be mantsy ny fitarainana amin’ny resaka hala-bato sy hosoka manerana ny nosy.

  Misy ny kandida tsy manaiky ny voka-pifidianana ka milaza ny hitory, ao koa ireo mitaky tsotra izao ny famerenana ny fifidianana ao amin’ny kaominina misy azy. Ny mpandinika sasany moa efa nilaza mialoha ihany fa tsy maintsy hiteraka krizy vaovao ilay fifidianana satria tandrametaka ny fanomanana azy. Tahaka ny manaporofo izany rehetra izany fa tsy milamina ny eto Madagasikara, eny fa na dia misy aza ny olona tena te hiasa… Tokony hampieritreritra ihany koa ny fahavitsian’ny olona tonga nifidy tamin’ny 31 jolay lasa teo kanefa nambara fa tena fifidianana manakaiky ny vahoaka ny fifidianana ben’ny tanàna. Koa nahoana ary no kamo nandeha nifidy ny vahoaka ? Sa ve ny fifidianana filoham-pirenena ihany no tena mahasarika olona eto amintsika ? Voatondro ho nangala-bato ny antokon’ny fitondrana, ny CENIT anefa milaza fa nandeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Ho hita eo indray ny tohin’ny tantara. Dia tsy mety milamina ilay Madagasikara e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT