Edito

Tsy mety intsony e !


  • Alakamisy 17 Martsa 2016

Izay asan’ny Fanahy Masina no tsy fantatra fa raha ny zava-misy hiainana ankehitriny aloha dia sakay sy maso ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra.


 Izay no zava-misy ary tsy afaka ny handà izany ny roa tonta na hahalala fomba be hanao resaka diplaomatika aza. Efa mibaribary ilay tsy fitovian-kevitra e ! Vao miha nampirehitra ny ady ny zava-misy any Farafangana. Teo ihany koa ilay resaka fisamborana olona akaiky ny filoham-pirenena saika notanterahana ny zoma lasa teo sy ny zavatra hafa maro be. Fa anisan’ny nanaitra ny maro dia ilay fahataran’ny fiaingan’ny filoham-pirenena ho any Maorisy satria niandry an’ingahy praiminisitra teny Ivato. Izy indray ve izany no mampiandry ny filohan’ny repoblika ? Mba hafahafa ihany a ! Misy tsy milamina eto e ! Tsy ambara vahoaka fa dia kobokobonina ao ambony ao. Ny fahitana azy dia tsy hilamina mihitsy ity raharaha ity fa tena ho lasa fifandirana tahaka ny tamin’ny repoblika faha-3 tapany voalohany nampiady ny filoha Zafy sy ny praiminisitra Ravony. Efa tena lalim-paka ny fifandiran-kevitra ka sarotra ny hamaha azy. Ny andrasana dia izay sahy hamaky bantsilana ka hilaza ny tena marina.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT