Edito

Tsy mety haka lesona


  • Alatsinainy 19 Septambra 2016

Tsy hoe tsy mahay fa tsy mety haka lesona. Izay no azo lazaina amin’ny fihetsika sy fitondran’ny mpitondrantsika ankehitriny.

Raha ny fampianarana sy fanehoana ny karazana teti-pampandrosoana any amin’ireo tany mandroso izay nampisehoana teto izay, miampy ireo tetikasa sy voka-pikarohan’ireo manampahaizana maro izay efa natao ho fanampiana ireo mpitondra mba hanamorana ny asany saingy tsy nojereny sy nohenoiny fa efa nofy angamba sisa ny fahantrana. Tonga avy tatsy Maorisy ny Malagasy manaraka fiofanana eo anivon’ny fikambanana alemanina ny herinandro lasa teo ary toy ny isan-taona dia maneho ny paikadim-pitondrana izay mampandroso ity firenena ity kanefa dia hisaoran’ny fitondrana fotsiny ny ezaka ataon’izy ireo fa ny fampiharana aloha dia mampametra-panontaniana hoe rahoviana. Manoro ny tokony hatao daholo ny Amerikanina sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena kanefa dia naman’ny fotsy rora miteny hatrany koa. Ny eto an-toerana aza moa miantso fifampidinihana sy efa mba manome izay vahaolana fantatr’izy ireo avy fa dia mbola mijoro ho mahay be foana ny mpitondra antsika. Be tokoa ny manampahaizana eto amin’ny firenena kanefa dia mahagaga fa mbola toy izao foana isika. Sa ve sanatria misandoka daholo ?

Mirija    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT