Edito

Tsy mety fay mihitsy !


  • Zoma 15 Jolay 2011

Dia inona indray izao no zavatra hataon’ny FAT manoloana ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pilaminana sy ny fandriampahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikanina izay nanamafy ny fampiharana izay tapaka tany Sandton ?

 Raha tsorina ny resaka dia mitsipika ilay fanitsiana sadasada nataon-dry Simao sy Salomao tamin’ilay tondrozotra ny fanapahan-kevitra. Miverina indray izany ny resaka momba ny fiverenana an-tanindrazan’ireo any an-tsesitany sy ny fahafahan’izy ireo mandray anjara malalaka amin’ny fiainana politika eto amin’ny firenena, eo ihany koa ny tsy maintsy hananganana rafitra tetezamita tena izy ahitana ny ankolafy rehetra tsy misy fanavakavahana fa tsy tetezamitan’ny akamakama tahaka ny misy ankehitriny. Efa mazava izao ny resaka fa tsy mety ny zavatra nataon’ny FAT tato anatin’ny roa taona mahery ary mampatsiahy azy ireo amin’izany foana ny sehatra iraisam-pirenena hoe tsy izao ny lalana tokony haleha fa hafa. Mibaribary ihany koa izao fa tsy nahomby ny hetsika fandresen-dahatra tany ivelany mba hahazoana fankatoavana nataon’ny minisitry ny raharaham-bahinin’ny FAT. Mialoha azy moa dia efa tsy nahomby ihany koa ny hetsika tany Afrika nataon’i Andry Rajoelina sy Camille Vital. Dia tena mahagaga mihitsy fa tsy mety fay sy tsy mahay mandray lesona ireo olon’ny FAT fa na dia hita izao aza fa tamboho vato be no manoloana ny tena, dia mbola mandroso ihany ary tsy mihaino mihitsy ny soso-kevitry ny hafa.

Mikatso ny famahana ny krizy sy ny raharaham-pirenena noho izany. Etsy ankilan’izay moa dia mampirisika fatratra ny FAT amin’ny hanatanterahana ny fifidianana faran’izay haingana i Frantsa ary mampiasa ireo fikambanana sy sampandraharaha manompo azy hahatanteraka izany. Nanamafy Atoa Jean Marc Chataigner omaly nandritra ny fetin’ny 14 jolay fa tokony hanohana ny fitondrana tetezamita amin’ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena satria izay ihany no lalana tokana hiverenana amin’ny ara-dalàna. Tsy misy mandà izany mihitsy saingy ny itoeran’ny adihevitra izao dia ilay fikarakarana sy fanomanana mihitsy satria bodoan’ny FAT samirery sy ny ekipany ny zava-drehetra ka sarotra ihany ny hilamin-tsaina amin’izay lisi-pifidianana ho vita eo.

Efa ireny niaraha-nahita ireny ny nitranga tamin’ny 17 novambra 2010, iny no fifidianana ratsy sy petatoko indrindra nisy teto Madagasikara tato anatin’ny 20 taona, kanefa dia tsy mety fay ny FAT fa mitetateta hanao fifidianana iray hafa, izay mety moramora handrehitra savorovoro satria raha vao filoham-pirenena na solombavambahoaka izany no hofidiana dia ho henjankenjana ny raharaha fa tsy tahaka ny tamin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka. Ny olana goavana sy madinidinika isan-karazany etsy sy eroa ao anatin’izay rehetra izay efa mampihena ny fahafahan’ny fitondrana tetezamita miasa am-pitoniana, ny mpanohitra rahateo tsy mipetra-potsiny fa miasa mafy isan’andro milaza sy manambara fa tsy mety izao endriky ny fitondrana misy eto Madagasikara izao. Koa inona no fifidianana hilamina ho vita amin’izany olana maro be izany ? Hanaotao foana indray ve ? Tena tsy mety fay mihitsy an !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT