Amin’ity talata ity no milaza fa hitafa amin’ny mpanao gazety ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina, mba hahafahany mitatitra ny anton-diany tany Etazonia sy hanambarany ihany koa ny heviny manodidina ny raharaham-pirenena.
Ny tontolo politika eto amintsika moa dia azo ambara fa tena mafana mihitsy ankehitriny. Toa olana no betsaka fa tsy misy ny vahaolana. Miara-manaiky ny rehetra fa sarotra ny toe-draharaha ary tsy mahavita azy ny fitondrana tetezamita; ary na ilay fiaraha-mitantana aza dia toa lasa anarana fotsiny fa tsy hita izay tena fampiharana azy. Maro ny mahita ankehitriny, taorian’ny zava-nitranga teny Ambohijatovo sy Analakely ny sabotsy 19 mey teo fa mitady hiverina ny zava-niseho tamin’ny 2009 ka nitarika ny firodanan’ny fitondrana tamin’izany fotoana izany. Tolona amin’ny fitakiana ny fahalalahana sy fahafahana maneho hevitra no niatombohan’ilay izy, izao anefa dia manomboka miova tsikelikely ka efa tonga hatrany amin’ny fiantsoana ireo rehetra mahatsapa ny tsy mety sy ny tsy rariny ataon’ny fitondrana tetezamita mba hanatevina ny hetsika ataon’izy ireo, izy mianadahy mpanentana ao amin’ny radio Free FM. Ny nanatri-maso moa dia nilaza fa tena henjana ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana tamin’iny sabotsy iny. Nisy mihitsy moa ireo nilaza fa mahery kokoa noho ny efa hita hatramin’izay ny lakrimôzena nampiasaina.
Somary nanaitra ihany koa ny fahitana ireo zandarin’ny GSIS nisaron-tava tonga teny an-toerana, satria raha ny fahafantarana azy dia mpanenjika jiolahy efa tena raindahany izy ireny. Mbola tsy hoe mirodana ny fitondrana tetezamita, saingy hita fa efa manomboka mihozongozona ihany ilay seza, satria tena ny zanaka an-trano no nivadika ary namoaka ny tsiambaratelo. Tsy takona afenina intsony koa izao fa efa mizarazara ny hevitra any ambonimbony any, midika izany fa misy ny tadin-dokanga efa tsy mitovy intsony, ka vao mainka izany manome vahana ireo mpanohitra sy mpanankiana ny tetezamita. Ny ankolafy Ravalomanana izao dia milaza fa ho avy eto Madagasikara mialohan’ny 31 mey Atoa Ravalomanana, ary toa hoe efa nifampiresahana tamin’ny TGV izany. Ny fitakiana isan-karazany dia hihamafy amin’ity herinandro ity, ka izay angamba no mahatonga an’ingahy Rajoelina tsy maintsy hiteny fa efa tena mafy ny ady. Miankina amin’izay ho ambarany amin’ity anio ity ny hampilamina na tsia ny toe-draharaha. Inoana fa tsy mbola tara raha izao no mijoro amin’ny maha filoha raiamandrenin’ny Malagasy rehetra azy i Andry Rajoelina, ka miaiky fa misy tokoa ny zavatra tsy mety sy tsy mandeha eto, ary tena ilaina ny rehetra hifanome tanana hamaha ny krizy, ary ialàna lavitra ny fanilakilahana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.