Nisy nangalatra tao an-dapa nitahirizana azy ny satroboninahitry ny mpanjaka.
Nametra-pialana tsy ho mpikambana ao amin’ny CST Rtoa Saraha Georget Rabeharisoa filohan’ny antoko Maitso, izay mahita fa tsy voahaja ny fampiharana ny sori-dalana satria misy ny fanilikilihana. Ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia milaza fa hametra-pialana raha tsy tafaverina haingana eto ny lehiben’izy ireo. Tapitra ny fotoam-piasany ka handao an’i Madagasikara Atoa Mokgheti Monaisa masoivohon’i Afrika Atsimo sady solontena vonjimaikan’ny SADC eto Madagasikara. Naharitra hatramin’ny ora valo ny fahatapahan’ny jiro tamin’ny faritra sasany teto Antananarivo sy ny manodidina, ary fantatra fa hihaona amin’ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy any Paris rahampitso alarobia ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.
Natevintevina ihany ny vaovao politika ny faran’ny herinandro teo ary hita taratra amin’izany fa hafampana indray ny politika amin’ity herinandro ity. Midika izany fa tsy mbola misy ny fitoniana ary mbola maro ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy, sombitsombiny amin’izany ny fitakiana etsy sy eroa ny hamoahana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika satria izay no voasoratra ao anatin’ny sori-dalana raha ny filazan’ny fianakavian’izy ireo. Etsy ankilan’izay rehetra izay dia mifanesisesy ireo olona sy vondron’olona, antoko ary fikambanana mihaona amin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka. Miasa mangina izy, araka ny fahitana azy, tsy tena fantatra mazava kosa anefa ny tanjony satria tsy misy intsony ny vaovao ofisialy avy any aminy fa ny sasantsasany amin’ireo izay avy nihaona taminy fotsiny no mba milaza ampahany kely amin’ny mpanao gazety indraindray. Mbola maro ihany, araka izany, no velon’ahiahy amin’ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Toa mitombina ihany ny nambaran’ny sasany, telo volana lasa izay, fa tsy hamaha ny krizy izany akory ny sori-dalana, ary tsy mety mihitsy izany fiaraha-mitantana izany. Rehefa misy anefa ny olana, tokony hisy ny vahaolana, hoy ilay filoha teo aloha iray izay. Koa antenaina fa manan-tsaina ary tompon’andraikitra feno manoloana ny vahoaka sy ny firenena marina ny mpitondra sy ny mpanao politika ka hahita ny marimaritra iraisana fa tsy mbola tara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.