Edito

Tsy mbola tara …


  • Zoma 13 Mey 2011

Mangitakitaka daholo indray ny rehetra amin’izao faran’ny herinandro izao satria mafampana ny tontolo politika, ary mibosesika mihitsy ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa avy amin’ireo mpanao politika sy mpitarika fikambanana isan-karazany.

 Efa hadino tanteraka indray izao ilay hoe fikaroham-bahaolan’ny Malagasy samy Malagasy, fa dia samy mihazakazaka miresaka amin’ny any ivelany ny andaniny sy ny ankilany. Na ahoana na ahoana mantsy firehan-kevitra handresena lahatra ny Malagasy dia tsy tafavoaka aloha isika amin’izao fotoana raha tsy mahazo fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra. Manankarena harena ankibon’ny tany i Madagasikara saingy tsy rahampitso na amin’ny iray volana, na afaka herintaona dia hitobaka eto ny vola azo avy amin’ireny. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola nisy teto Madagasikara ny tena hoe fifandimbiasam-pahefana milamina fa grevy sy savorovoro ary korontana hatrany no manala amin’ny toerana ny filoha am-perinasa ary mampisandratra ny ho filoha vaovao. Manan-tantara ny datin’ny 13 mey satria nisehoan’ny tolona amin’ny endriny vaovao sy moderina ho amin’ny fahafahana sy ho fandavana ny jadona na ahoana na ahoana mety ho endriny. Teo ny vahoaka fa tao ambadiky ny 13 mey 1972 ny mpanao politika ary mbola misy manao politika tsara mihitsy ny sasany amin’izy ireo amin’izao fotoana.

Efa tafarina ny Lapan’ny tanàna, saingy tsy mbola tafavoaka amin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana ramalagasy, ary tsy sasatry ny mandrodana sy manarina. Fa nahoana mihitsy ? Satria ny firenena tety amin’ny manodidina sy tany Azia nitovitovy sokajy tamintsika tamin’ny 1960 dia efa tena lasa lavitra be eo amin’ny lafiny toekarena raha oharina amintsika na dia teo aza ny savorovoro sy ny gidragidra tany amin’izy ireo. Maro no mahita fa tena tara lamasinina, araka ny fomba fiteny noho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra sy ny mpanao politika i Madagasikara ka tsy maintsy mihazakazaka sy manenjika lava izao. Tena sarotra ho an’ny firenena mahantra tahaka antsika ny miatrika ny fanatontoloana sy ny hafetsifetsen’ireo firenena matanjaka tahaka an’i Chine sy Etazonia, ohatra.

Na izany aza, maro ny mino sy matoky fa tsy firenena voaozona izany akory i Madagasikara ary mbola fotoan’ny fiovana sy fanovana tokoa izao ary mila tonga saina ny rehetra fa tsy maintsy hifanampiana ny fanarenana ny firenena fa tsy vitan’ny fifanenjehana fotsiny. Tsy misy firenena mandroso izany kanefa mifanenjika isan’andro ny mponina sy ny mpitarika ary ny mpanao politika ao aminy. Tsy mbola tara raha mampangina ny hambom-pony ireo mpanao politika sy mpitarika, voalohany amin’izay i Andry Rajoelina, izay hita fa anisan’ny vato misakana amin’ny fiampitana any amin’ny Repoblika faha-IV noho ny tsy fahavononany mihitsy hiresaka sy hifampiraharaha amin’ny olona narodany. Efa tena miha sarotra anefa ny fiainana, mimenomenona ny olona. Raha izao no mitohy dia hihamafy indray ny fitokonana etsy sy eroa sy ny fidinana an-dalambe. Dia ho tahaka izany foana ve no iainana ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT