Edito

Tsy mbola tara


  • Sabotsy 13 Aogositra 2016

Mety ho diska goaka araka ny fomba fiteny fa averina eto ihany mba tsy hananan-tsiny amin’ny firenena sy ny taranaka faramandimby fa misy tsy milamina ny fitantanana ny firenena, be loatra ny endrika kolikoly sy gaboraraka.

Toa manadino tanteraka ny fampanantenana natao ny ankamaroan’ireo nahazo seza. Fanaparam-pahefana ho amin’ny tombontsoan’ny tena sy ny fianakaviana no toa mahamaika ny mpitondra. Aiza ve dia misy fianakaviana manampahefana na olona akaiky ny mpitondra foana voatonontonona ao anatin’ireny afera maloto hita etsy sy eroa ireny toy ny trafikana volamena, ny rongony, ny sokatra, ny boaderozy … Misy milaza aza fa tena mivarotr’olona mihitsy amin’ny alalan’ireo tolotr’asa ho an’ny vehivavy any amin’ireo firenena Arabo. Firifiry ny minisitra, depiote, mpanolotsain’ny filoham-pirenena malaza fa be afera ary tena mampiteny ny anarany mihitsy. Tsy mbola tara raha mijoro manova izany laza ratsy izany ingahy filoham-pirenena, izy no lehiben’ireo rehetra ireo, izy no tompon’andraikitra voalohany, izy no tokony hanana paikady mahomby hitsaboana izao aretina mikiky ny fitantanan-draharaham-panjakana izao, satria raha tsy miova ny mpitarika sy ireo mpitantana dia sarotra ny hanantena fandraisan’andraikitra sy fahatongavan-tsaina avy amin’ny vahoaka. Fa rehefa mifanadala sy mifanambaka lava eto, tsy maintsy ho avy indray ny gidragidra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT