Edito

Tsy mbola tara


  • Alarobia 24 Jona 2015

Nosintonina ny fahazoan-dalan’ny MBS hiasa, nakatona ny masoivohon’ny VIVA any amin’ny faritra maro, nitrangana olana tampoka ny fahazoana ny TV Plus, misy ny tompon’andraikitra mandrahona mpanao gazety ary nisy mihitsy aza ny nanambana basy

 
. Moa tsy tena tandindomin-doza ny fahafahana maneho hevitra ? Voatohintohina ny fahazoan’ny olona vaovao maro lafy, ary ny raharaha atsy ho atsy rehefa tena ampiharina eto ny fampiasana ilay TNT dia vao miha hihena hatrany io fahazoana vaovao isan-karazany io noho ny fahamoran’ny fifehezana ny zavatra rehetra alefan’ny haino aman-jery eto Madagasikara. Tena ilaina tokoa ny fampiharana ny lalàna velona saingy atao am-piheverana izany ary tsy maintsy manaraka dingana maromaro. Raha misy ny olana, azo atao tsara ny miresaka fa tsy mandrahona na mampitahotra. I Madagasikara rahateo mbola ao anatina vanim-potoana miavaka ka mila fitandremana ny zava-drehetra fa tsy vitan’ny didin’ny be sandry fotsiny. Tokony handamina ny fanjakana fa tsy manakorontana, ary manolotra vahaolana ihany koa rehefa ilaina izany. Mahagaga anefa fa dia tompon’andraiki-panjakana ambony no mampifangaro ny resaka teknika sy politika. Dia tsy mety mandray lesona mihitsy ve ireo mpitondra fa saropady io resaka haino aman-jery sy fahafahana maneho hevitra io ka tsy azo terena hiditra anaty lasitra amin’izay itiavana azy fotsiny ny rehetra ? Tsy mbola tara raha mifandamina e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT