Edito

Tsy mbola tampina ahoana ny daomy e ?


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Tsy mbola hanaiky ihany ve ny fanjakana fa tampina ny daomy eo anatrehan’ny tanjaky ny herim-panoherana ? Inona no mbola hianteherana sy kobonkobonina ao sa hiditra amin’ny fampiasan-kery indray ato ho ato ?

Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sisa no hany fanantenana farany. Mazava anefa ny kabarin’ny eny an-kianja fa tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hiseho ny eny an-kianja, raha tsy hamaly ny hetahetam-bahoaka dia ny fialan’ny filoha ity rafi-pitsarana ity. Tsy nahomby ny fakana fom-bahoaka amin’ny vary kely tsy mahavita taona ny fiandohan’ny herinandro teo, izay toa mbola nampiedinedina an’ingahy filoha ihany. Mbola tratry ny vely kanontan’ny teny an-kianja indray hoe hatramin’izay ialahy niakatra ny vidim-bary tsy hita izay natao, ka izao mitolona ny vahoaka vao may volon-tratra. Dia efa tena ataon’ny olona maivana toy ny volom-borona mihitsy anie e ! Hatrany anaty tambajotra ara-tsosialy avy no efa mieli-patrana sy zary lasa fomba natao hialana voly mihitsy ny hoe: “miala Rajao” ka na resaka tsy misy hifandraisany aza, dia mivoaka hatrany ny hoe noho izany dia “miala Rajao”.  Minia jamba sy tsy mahita ve ka miandry hosorohina amin’ny angady sy lapelina tokoa vao hahay hanaja tena. Sa kosa mbola manantena fiarovan-tena tsara petrapetraka indray amin’ity karana hala nenina farany eny amin’ny HCC rahampitso ity. Fa na izany aza mbola fetsy ihany satria raha ny lojika, dia hiato ny tolona manomboka ny alahady sy alatsinainy, fety masina. Mety mbola hitarazoka kely ny fandinihana ilay fiarovan-tena. Ao anatin’izay izany no hianteherahana amin’ny mety hisian’ny fahagagana hoe ka hitovona “tsy” indray ny hoe miala Rajao ?  Hanaiky lembenana izany ve ny mpitari-tolona sy ny vahoaka ? Ny azo ambara dia efa nisy ny velirano, ka miandry ny fifaranan’ny tantara isika mianakavy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT