Edito

Tsy mbola tafavoaka ny ala


  • Alakamisy 05 Aprily 2012

Fivoriana iray goavana no hitranga eny Mahazoarivo anio satria dia hihaona voalohany amin’ny praiminisitra ireo mpiara-miasa ara-teknika sy mamatsy vola antsika, miaraka amin’ireo masoivoho vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena maro samihafa eto Madagasikara.

 Anton’ny fihaonana ny fandinihana ny mety hamerenana ny fanampiana an’i Madagasikara. Efa iaraha-mahita mantsy fa tena sahirana ny firenena, tsy manam-bola ny fanjakana, miha mahantra ny vahoaka, tsy maintsy mila famatsiam-bola avy any ivelany isika mba hamahana ireo olana maro samihafa ireo. Misy fepetra maro moa izay vao azo dinihana ny famerenana io famatsiam-bola vahiny io. Anaty tetezamita moa isika ka mazava be fa tsy tahaka ny zava-misy amina fitondrana ara-dalàna no misy eto.

Mety hisy kely ihany ny famindram-po avy amin’ireo mpiara-miasa, saingy fepetra hentitra tsy maintsy arahana kosa ny fanajana ireo fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavintsika. Voalohany amin’izany ny tondrozotra izay efa lasa lalàna ka mibaiko izao tetezamita izao. Eo ihany koa ny fanajana ny tany tan-dalàna, ny fanajana ny zon’olombelona, ny fangaraharan’ny fitantanam-bolam-panjakana, ny fisian’ny fandaharan’asa matotra. Izay ny lafiny ara-teknika, fa tsy maintsy misy ihany koa ny lafiny ara-politika. Ny Vondrona Eoropeanina dia mahita sy mahatsapa fa tsy mbola milamina araka ny tokony ho izy ny fitantanana misy eto, ary tena takian’izy ireo ny tetezamita tena izy sy ny fisian’ny tena fiaraha-mitantana, ny fanajana ny demokrasia sy ny fahafahana hiteny sy haneho hevitra.

Tsy dia mifanalavitra amin’izay koa ny an’ny Amerikanina, ary mety mbola henjankenjana kokoa aza, satria amin’izy ireo dia mbola mpanongam-panjakana no mitondra an’i Madagasikara. Mila matotra sy mipetrapetraka tsara, araka izany, ny hevitra aroson’ny praiminisitra Omer Beriziky sy ny governemantany ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy, raha hifanatrika amin’ireo fianakaviamben’ny mpamatsy vola vahiny ireo, amin’ity anio ity. Efa nisy ny dingana vita tamin’ny fampiharana ny tondrozotra tamin’ny alalan’ny fananganana ireo rafitra isan-karazany toy ny CT, CST, ny CENIT, an-dalam-pamolavolana ny fananganana ilay komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM, io efa eny amin’ny Parlemanta io koa ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka. Dingana efa vita avokoa izany saingy tsy midika fa tonga dia hiverina afaka iray volana ny famatsiam-bola. Ny mety ho azo eritreretina fotsiny dia fanampiana antsika amin’ny fanomanana sy fanaovana ny fifidianana no mety ho azo, raha toa ka misy tetiandro mazava sy eken’ny rehetra mivoaka momba ny fifidianana hotanterahana amin’ity 2012 ity. Tsy mbola tafavoaka ny ala isika, ka tsy afaka misioka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT