Edito

Tsy mbola niova


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Nahavelom-panantenana ny mpanara-baovao sy ny ankamaroan’ireo olom-pirenena ny nahita ireo vahoaka marobe voatarik’ireo depiote miisa 73 tetsy amin’ny Parvis Analakely ny 21 aprily teo.

Nitohivakana tamin’izay fotoana izay ny karazam-panambarana nentin’ireo antoko politika, vovonana, fikambanana marobe nentina nilazana ny fanohanana ny tolona. Efa nazava hatrany am-boalohany ny fetran’ny tolona sy ny tanjona nitarihan’ireto depiote ireto azy fa nifototra tamin’ny fampitsaharana ny kolikoly. Rehefa niitatra anefa ny fandinihana ny toe-draharaha dia tsapan’izy ireo fa tokony halana amin’ny toerany koa ny filoham-pirenena sy ny forongony. Toa teo no lasa nipoirana karazam-panararaotana marobe mampiverina sy ny mampahatsiahy indray ny fomba amam-panaon’ny mpanao politika malagasy.  Tsy mbola niova fa toy ny hatramin’izay hatrany no fitrangany. Mitohy mitangorongorona amina toerana iray dia samy mamoaka fanambarana ny amin’ny tokony hananganana rafi-pitantanana iraisan’ny rehetra daholo, milaza ny hafa ho tsy mahavita azy ny sasany, mody miantso ny olom-pirenena handray andraikitra ny hafa kanefa tsy faritan’izy ireo mazava akory izay andraikitra azon’ny rehetra raisina izay rehefa manoloana toe-draharaha tahaka itony. Dia vahaolana misavoamboana miantso atrikasa handaniana volam-bahoaka sy tsy mitondra mankaiza eny hatrany no mivoaka ary dia eto ihany isika.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT