Edito

Tsy mbola mitombina


  • Alarobia 15 Desambra 2010


Raha ny fahafantarana azy dia tsy nijanona izany mihitsy ny asan’ireo mpanelanelana fa nisoko mangina tany ambadimbadika tany, ary na tsy teto an-toerana aza izy ireo dia nikaroka ny hevitra mahomby indrindra amin’ny famahana ny krizy Malagasy. Hita fa manaja ilay hoe fifampidinihan’ny samy Malagasy ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena, ary niezaka ny tsy hidikiditra mihitsy tamin’ireo hetsika fihaonana sy fivoriana natao mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka. Ny zava-nisy anefa dia tsy nipoitra ihany ilay hoe fiaraha-mitanatana sy fiaraha-mandinika ny dingana tsy maintsy hatao ho famahana ny krizy ; ary tena nibaribary tamin’ilay fitsapan-kevi-bahoaka farany teo ny tsy fahamatoran’ny FAT amin’ny fanomanana sy fikarakarana ary fanatanterahana fifidianana. T

ena ho ratsy ny raharaha raha mbola miverina ny tahaka ireny satria marina tsy hisy hanaiky mora foana izany hoe afaka mifidy amin’ny kara-pokontany na kara-pifidianana be diso izany raha toa ka fifidianana filoham-pirenena na Ben’ny tanàna no atao eto, koa dia ho raikitra eto ny savorovoro. Noho ireo rehetra ireo dia tonga eto indray ireo iraka manokan’ny SADC izay misolotena ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny hitady ny drafitra mety amin’ny ankolafy rehetra no sady mahasoa ny Malagasy. Ekena fa tsy hisy mihitsy izany hoe : marimaritra iraisana maharesy lahatra sy ankatoavin’ny ankolafy rehetra izany, saingy izay no maha fifampiraharahana ilay izy, tsy maintsy misy ny fifamenoan’ny hevitry ny ankolafy tsirairay avy, ary tsy maintsy mandefitra ny mpandray anjara arehetra fa tsy misy izany hoe ny hevitro ihany no marina sy tsy maintsy ekena. Miasa mba hahatongavana amin’izany ireo iraky ny SADC eto amintsika amin’izao fotoana, ary apetraka hiasa maharitra eto raha ilaina ilay “Bureau de Liaison” na ny masoivohon’ny SADC mba hanara-maso ny fivoatry ny toe-draharaha sy hampitobo ny fihaonana sy fifandresen-dahatra amin’ireo ankolafy tsirairay avy.

Re fa toa efa nihaona tamin’i Leonardo Simao Atoa Norbert Lala Ratsirahonana mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoelina, ary azo ambara fa anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny fandrombaham-pahefana tamin’ny martsa 2009. Misy dikany manokana io fihaonana io araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy ary hita soritra fa horesena lahatra hanova ny fomba fijerin’i Andry Rajoelina ingahy Ratsirahonana, saingy tsy ho mora izany. Efa anisan’ireo niketriketrika ny “Accord d’Épinal” mantsy izy ary atokisan’ny sehatra iraisam-pirenena tokoa amin’ireo mpiara-miasa rehetra amin’i Andry Rajoelina. Hatramin’izao aloha dia nijanonana ho fihetsiketsehana fotsiny ny fametrahana ilay Repoblika faha-4 satria raha ny tena marina dia na ny tetezamita aza tsy mbola mitombina sy tsy mihodina araka ny tokony ho izy akory.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT