Edito

Tsy mbola manga ny lanitra a !


  • Zoma 17 Jona 2016

Azo lazaina fa afa-doza amin’ny ampahany ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar fa tafavoaka tamin’ilay « Annexe B » naha be resaka sy adihevitra teto tao anatin’ny 5 taona.


 Efa milamina izany ny amin’iny fa ahoana ny fomba hitrandrahana ny tsena eoropeanina ? Moa ve tena afaka hanao izany tokoa ny Air Mad ? Miankina amin’ny politika apiharin’ny mpitantana ihany io. Ny manitikitika ny saina dia ny zavatra hafa iainan’ity kaompania nasionaly ity. Tsy hoe tafavoaka ny lisitra mainty mantsy dia manga ny lanitra ka hivaha avokoa ny olana rehetra. Marary tahaka ny firenena ny Air Mad, maro ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Nisy gaboraraka tao, nisy fitantanana tsy mahomby, nisy paikady diso ka mila arenina daholo ireny fa tsy vitan’ny manonofy fotsiny dia hisinda ny olana rehetra. Mampatahotra ny fisian’ireo kaompania vahiny matanjaka miditra eto amintsika. Mizara mantsy ny tsena ka matetika ny matanjaka no tafavoaka. Mbola tena sempotra ny Air Mad ka raha tsy hamidy tokoa ity kaompania ity dia misy ezaka goavana takiana ary tsy maintsy miditra an-tsehatra manampy ara-bola ny fanjakana. Zanak’omby tsy ampianarin-domano ny filoham-pirenena satria efa avy filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar ka ho hita eo ilay hoe fanavotana, raha tsy hoe kabary fotsiny indray !


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT