Edito

Tsy mbola maloton’ny politika


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Tanteraka io ny fanovana mpikamban’ny governemanta. Tsapa ho nivoaka sempotra ihany ny Filoha sy ny Praiminisitra teo am-pandrafetana azy.

 

 Maro rahateo ny zavatra kajiana ao anatin’io. Samy manana ny fahitany azy ny rehetra, fa aleo aloha handeha dia ho hita eo indray ny fizotrany. Raha mijery ireo endrika vaovao ny mombamomba azy ireo aloha, dia tena hita fa olona vontom-pahalalana, tanora vonona hitondra ny anjara birikiny ho an’ny firenena, teknisianina kokoa ary mbola tsy tena re sy voaloto tao anaty raharaha politika maloto ny ankamaroany. Mipoapoaka ny fahaiza-manao raha jerena amin’ny mombamomba azy tsirairay na ny “CV” fa dia ireo izany no ampahany amin’ireo “Cerveaux” heverina fa isan’ny hitarika ity firenena ity hiakatra. Mba mampisy tsirim-panantenana ihany! Vita izany ny tombana, ka dia 6 tamin’ny 22 aloha no nesorina. Tena nahavita azy avokoa ve izany ireo ambiny tavela? Sa misy ireo tsy azo ahilika noho ny antony maro? Fiaingana vaovao indray ity taorian’ny herintaona toa mafy sy tsy tena nahitana vokatra firy. Mafy ny asa miandry ireo mpikamban’ny governemanta, ary miharihary izao fa tsy mora ny mitondra firenena. Tsaroana tsara mantsy roa taona mahery teo izay ny nilazan’ny filoha fa efa vonona amin’ny zava-drehetra satria efa niomana efatra taona. Nampahafantarina ny tetikasa IEM, nambara fa efa vonona ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka, ny fahazoana ny fahefana sisa dia hamirapiratra i Madagasikara,… Nambara fa tsy hindram-bola intsony isika, fa hampindrana an’i Kaomoro aza! Omena tsodrano ny Filoha sy ny ekipany hahefa be hahatanteraka ny fanambiny satria betsaka ny nambara, ka dia aleo handeha indray aloha hotazanina e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT