Edito

Tsy mbola afa-bela e !


  • Alarobia 06 Jona 2018

Antomotra indray ity ny 26 jona hanamarihana ny faha-58 taona nahazoantsika ny fahaleovan-tena. Manana ny fiandrianam-pirenentsika isika, mahaleotena i Madagasikara, masi-mandidy amin’ny taniny ny Malagasy …


 Ireo no fomba fiteny ampiasaina rehefa voakitikitika ny tombontsoan’ny mpitondra eo anatrehan’ny fidirana an-tsehatry ny vahiny amina raharaha iray eto amin’ny firenena. Tsaroan’ny maro tsara ny fampiantsoan’ny misinisitra iray teo aloha ny masoivoho Amerikanina teto amintsika, raha nanameloka ny hetraketraka politika niafara hatrany amin’ny fahafatesan’ny omby tsy manan-tsiny izy. Raha samy nanantena ny rehetra, fa tsy dia hisy intsony ny fanekena be fahatany ny baikom-bazaha, dia tsy izay no misy fa miaina amin’ny “oui oui” hatrany, raha dinihina tamin’ny fanendrena ny praiminisitra. Tsy fanilihana vahiny, fa mibaribary be kosa ilay hoe dian-tanan’ny firenen-dehibe e ! Misy mafy loha sy heverina fa tsy hanaiky lembenana intsony amin’ny baikom-bazaha ny mpanao politika Malagasy, saingy tsy afa-manoatra e ! Tsy afa-bela hatrany isika ary tsy maniry ratsy ho an’ity tanindrazantsika ity, fa mbola mafy sy ho mafy ny fatorana, raha ny zava-misy. Isika ihany anefa no  mamato-tena satria tsy sarotra ho an’ny vahiny ny mifehy sy mangeja ireo mpitondra sy mpanao politika, eny fa na ireo heverina ho mafy loha aza. Vao tratry ny fandrahonana hoe giazanay ny volanareo any ivelany dia mifori-drambo sy mamadika vahoaka. Firifiry ihany koa moa ny mpanao politika efa mifanaraka amin’ny menasofina, ka raha vao rahonana hoe tsy homenay vola ianao amin’io tetikasa novolavolainay mba hakanao ny fom-bahoaka io, dia ho eo ianao no horaisina. Mba rahoviana ihany vao mba ho afa-bela e ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT