Tadidintsika angamba iny hira mikasika ny mpanao politika malagasy nanakoako tamin’ny fiandohan’ny taona 90 iny. Hatramin’izao izy iny dia mbola mitombina.
Ny maha hafa kely ny ankehitriny fotsiny dia ireo mpanara-dia ireo tsy nahatanteraka ny andraikiny indray no toa lasa mpisolovava miteny hoe « tsy izy anie no diso fa ny tokony hanatanteraka ny baikony e ! ». Efa niaraha-naheno izao fa ilay filoham-pirenena no nanao teny fampanantenana tamin’izany fotoana izany fa enim-bolana ihany raha be indrindra dia voavaha ny olan’ny fahatapahan-jiro matetika. Nandeha nefa ny volana ary efa nivadika ho taona ; mbola eto isika izao miaraka amin’izany sy ny firongatry ny tsy fahandriam-pahalemana eraky ny elakelan-tranon’Antananarivo efa ho isan’alina izao. Dia nilaza ny mpiara-dia amin’ny filoha raha nivahiny tamin’ny fahitalavitra iray fa ny mpandray baikon’ity farany no tsy nahatanteraka ny asany. Tsy ny nampanatena sy ny mpitarika ve no tokony ho tomponandraikitra voalohany raha misy ny tsy fahombiazana eo amin’ny asa iankinan’ny aim-bahoaka toy izany sa dia efa tsy ho afaka amin’ny mpanao politikantsika intsony koa ity mifanilika andraikitra lava ity ? Tsy mbô za ! tsy mbô za ! marina mafy raha mbô za !
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.