Edito

Tsy mba menatra mihitsy !


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Mihazakazaka ny fambaboan’ny fanjakana HVM ny fon’ny vahoaka. Anisan’ny resena lahatra fatratra ny eto Antananarivo. Raikitra ny fitokanan-javatra etsy sy eroa..

Fotodrafitrasa tokony ho vitan’ny minisitra na lehiben’ny boriborintany mihitsy aza ny mitokana azy, dia hihazakazahana sy hisehosehoan’ny filoha fa mahavita zavatra ny fanjakana ankehitriny. Izao indray, dia hiezaka ny haka ny fom-bahoaka amin’ny  alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana na « kits scolaires » eny amin’ny Coliseum Antsonjombe anio. Tsy misy maharatsy an’izany, saingy ilay hevi-petsy ao anatiny amin’ny alalan’ny fandomana tapany ny vahoaka mba handoa erany no olana. Hatramin’izay 4 taona izay tsy hita izay tena natao, saingy izao akaiky fifidianana izao vao mihazakazaka mamboamboatra fihetsika fa hoe tena miasa sy manao zavatra ho an’ny vahoaka tokoa. Hirehareha fatratra, fa mitsinjo ny taranaka Malagasy. Raha tena hendry sy manan-kambo ny fitondrana ankehitriny, dia manolotra vahaolana maty paika fa tsy petatoko manoloana ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka toy ny fidangan’ny vidim-bary, vidin-jiro sy rano … Inona no fianarana hiditra amin’ny sain’ny mpianatra na hizarana fitaovana mirantiranty aza, kanefa tsy ampy sakafo mandeha mianatra. Sahirana ny ray aman-dreny vao mahita hatokona manoloana ny vidim-bary efa 650Ar ny kapoaka ary 1000Ar aza any amin’ny faritra sasany. Tsy mba menatra amin’ity miainga ambony tsikoko sy mirehareha amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana ity mihitsy ve ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT