Edito

Tsy mba mataho-tody mihitsy ve?


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Tahotry ny tody satria mbola manantena ny ho ela velona no tsy hanaovan-dratsy, araka ny soatoavina nolovaina tamin’ny razambentsika fahiny.

Ankehitriny anefa, toa tsy izay no miseho, fa tena betsaka no manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina. Tsy misy tahotra sy henatra ny fananararaotam-paty amin’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary manao hafainganam-pandehana lamasinina TGV ny fangoronan-karena mihoampampana. Tsy te hahalala izay tody sy tsiny any, fa ny zava-dehibe dia ny hoe: mila manararaotra, fa fandalovana ihany ny seza sy fahefana. Samy mba nety nanana ny fahadisoany, ary mba mety samy tratry ny fakam-panahy, fa mba hafa kokoa ny hoe: sady manangona no mba mivoatra ny fiainam-bahoaka, fa ny zava-doza eto dia tena misalobo-komana, ara-bakiteny. Mbola mahavita mamotika fiainan’olona izay tsy mitovotovy fijery amin’ny tena. Voizina sy resahina ny hoe: tsy mila korontana ny firenena, saingy rehefa zohiana dia toa manao izay hankahalan’ny olom-pirenena azy mihitsy ny sasany. Milaza fa tohina vao voatsindrona kely amin’ny toriteny, kanefa ilay finiavana hanarina ny tsy mety sy hanitsy ny dia tsy ao mihitsy fa mbola tia mihetraketraka sy mihantsy. Mba efa noeritreretina na mba naserana kely tao an-tsaina ve ny fahasahiranana sy fahantrana ary ny mety ho hatezeran’ny Malagasy eo anatrehan’izao fiainany mikorosy fahana tanteraka izao. Tsy finiavana hisintona lakolosy sy miantso fitroarana, fa raha tsy miova famindra fa mbola manao tahaka ny gisalahy manala-ketsa aloha ireo nampindramina fahefana dia asa izay mety hiseho eto? Sa sanatria tena iniana haharihary ny tsy mety mba hisian’ny fahatezerana hitarika korontana mihitsy ve izay vao mody handeha hanao sinema hoe: andao hifampiresaka handamina ny raharaha satria efa tapitra rahateo ny fotoana namilianay ny firenena?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT