Vitavita ho azy indray ity resaka fidiran’ny mpitsoa-ponenana sy vahiny tsy fanta-pototra tonga eto Madagasikara ity. Efa mandeha ihany ny famonoana afo ataon’ny mpitondra fanjakana na iraky ny fanjakana vitsivitsy milaza fa olona manao fivahinianana masina sy mitsidika moske eto amintsika ireny.
Na inona na inona fanazavana hoentina, dia tsy azo lavina ny fisian’ny zavatra kimaizimaizina eto amin’ny firenena. Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ireny teto ? Ara-dalàna ve sa tsia ? Inona no tambin’izany, ka mampangina sy tsy mapiloa-bava ny fanjakana ? Voahitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena sy ny maha izy azy antsika, ka samy manao izay saim-patany izao forongom-bahiny isan-karazany izao. Tsy sanatria fanilihana ireo vahiny tonga eto fa rehefa tsy ara-dalàna sy tsy ankasitrahan’ny Malagasy, dia mila roahina fa tsy hanaovana kopisoroka tahaka izao. Raha misy Malagasy an-jatony ve no mankany amina firenena iray, ka mizarazara manao andiany tsifolofolo mitondra ny entany any amina firenena iray any Eoropa, tsy efa voasambotra sy tratry ny roaka alika ? Raha any Pakistan na Afghanistan mety tsy vitan’ny voasambotra sy gadraina fa mety hotifirina. Eto amintsika kosa andihizan’ny olona sy hanjakazakany ary tompony mangataka atiny satria hatramin’ny tanin’ny razamben’ny Malagasy aza sahiny no maka azy. Aiza izay mba hambom-po manoloana izany ? Vitavita ho azy ny zava-drehetra satria ny mpitondra mihitsy no lohalaharana amin’ny famarotana tanindrazana sy famoretana ny Malagasy mba hanjakan’ny vahiny mpamatsy azy. Tsy atao mahagaga raha sokajian’ny olona hoe “Firenen’ny moramora” ny firenentsika e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.