Edito

Tsy mba leo fahafaham-baraka ve ?


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2021

Izay rehetra atao toa misy zavatra kisampontsampona foana satria manao zavatra aloha vao mandinika, fa tsy mandinika vao manao zavatra.

 Lasa alohan’ny omby hatrany ny sarety, tsy manaraka lojika sy lamina, fa tena manao izay saim-pantatra ara-bakiteny. Tsy finiavana hitsikera na hitsingoloka ny tsy mety, fa kosa tena miharihary ny tsy fahaiza-mitantana sy mitondra firenena amin’ny lafiny maro, hany ka toa manaotao foana hatrany. Matetika midona amin’ny rindrina sy midi-kizo vao mitady làlana hivoahana. Porofo iray mivaingana io toe-javatra miseho momba ny fitokanana kianja ampifanitsahana amina lalao iraisam-pirenena io. Mety manana ny lojikany ny Fanjakana, kanefa misy ny rafitra mena ambonin’ny mena. Toa niniana tsy noraharahiana satria efa zatra manao tsindry aloka eto an-toerana, hany ka hatramin’ny lamina sy rafitra iraisam-pirenena no niniana nodinganina, avy eo mipoitra ny olana vao hoe: hanao resaka avo lenta. Na hilamina aza ny resaka, efa afa-baraka foana aloha. Ireny ihany koa ny zava-niseho tany Frantsa, azo raisina amina lafiny maro. Teo ilay famoriam-bahoaka niteraka resabe satria nambaran’ny Frantsay fa loza mitatao ho an’ny fahasalaman’ny Parisianina, tsy nanaja ny fepetra sy lamina ara-pahasalamana satria tsy nanao arovava ny ankamaroan’ny olona, ary isan’izany ny filoha izay tsy nanao vaksiny. Tsy vaoahaja ny elanelana,… Fohazin’ny olona hatrany amin’ny hoe: “efa tsy tan-dalàna hatramin’izay, tsy tan-dalàna eny foana”. Fahafaham-baraka tsy misy ohatr’ireny, ary henatra ho an’ny firenena. Raha aty Madagasikara aloha dia boriboriana foana amin’ny hoe: “mpanenjika tozoro afara”, satria fady izay hiaiky ny lesoka sy fahadisoana izany. Mbola adihevitra hafa ihany koa ilay niseho tany Frantsa hatrany hoe: ny Filoha ankehitriny ve dia tena tsy afaka hipetraka eo amin’ny toeran’ny Raiamandrenin’ny firenena mihitsy? Tena mpijoro ho Filohan’ny Malagasy tsy ankanavaka ve sa Filohan’ny TGV-MAPAR na Filohan’ny mpanohana sy izay nifidy azy? Na inona na inona resahina, dia Malagasy ireo naneho ny tsy fankasitrahana azy. Lojika izany na aiza na aiza hoe tmisy olona tsy faly amin’ilay fitondrana foana. Voatery tsy maintsy handrehitra sy hanondraka solika amina afo efa mirehitra ve ka midina amina zavatra iva lenta hoe hanindry na hanenjika mivantana na ankolaka mpanohitra fa tsy afaka ny hanaja tena ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT