Edito

Tsy mba hiova mihitsy ve e ?


  • Zoma 01 Jona 2018

Tsy milamina ny tantara ary vao mainka mihenjana ny tady na toa misy ihany aza ny karazam-pitoniana hafahafa eto amin’ny firenena. Iza ihany no ho praiminisitra ?


 Ho teraka ihany ve ny fifanarahana politika ? Ahoana no hiafaran’ny tolon’ny fanovana ? Mbola mipetraka ve ny hoe tsy maintsy miala ny Filoha ?  Ireo no anisan’ny fanontaniana miverimberina amin’ny olom-pirenena amin’izao fotoana izao. Miandry izay haloaky ny ampitso ny rehetra. Ny hita aloha dia toa misavorovoro hatrany ny mpanao politika. Raikitra ny hoe dinika hikatsaham-bahaolana, dia milaza azy ho zavatra avokoa izao milaza azy ho mpanao politika na vondrona politika na fikambanana rehetra izao. Milaza azy ho zavatra sy mba tokony hantsoina hiara-kisalahy amin’ny fanavotana ny firenena, hono e ! Raha mba izay tokoa moa ka haninona fa ity izy toa vao mahare ry mamba noana sy ry mpanaty ran-kena isan-karazany, dia ny mba andao andao sao mba hahazo izay anjara e ! Vao mahare resaka dinika hitadiavana fifanarahana politika, dia mailaka ery satria tsy vitsy no mihevitra fa fizaran-tseza hatrany no ambadik’io. Tsy sanatria hanambany na hanamavo fa maro anie no mety tsy ho lany akory na lehiben’ny fokontany aza. Ilay politikan’ny sitrany hahay sy ny hoe fotoam-panararaotana izao no betsaka matoa isika mbola toy izao hatrany. Firifiry moa ny antoko politika eto ? Efa mananika ny 300 satria samy te ho lohany, samy te hiteny, samy te hihinana,… hany ka famotehana no tena anjara asan’ny mpanao politika maro fa tsy fanarenana. Sao dia mba fotoana izao hiovana amin’izay amin’ity fomba fanaovana politikan’ny seza sy hoe iza irery no tsy mba hihinana ity e ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT