Tsy maty voalavo an-kibo !

Betsaka ny tsy faly amin’ny mety


  • Alakamisy 13 Novambra 2025

ho fivoaran’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy.

Tsy maty voalavo an-kibo, ka manao ny fomba rehetra haminganana sy hikantsanana ny fanovana tiana hapetraka. Mandeha ny teti-dratsy samihafa noho ny alahelon-tseza, alahelon-toerana,… hany ka mety misoko mangina hatramin’ny fanatosahana vola hoenti-mandemy ny fitondrana sy hamoronana korontana ara-tsosialy. Ny fiezahana hanaratsy be fahatany, handoto, hanoso-potaka,… moa manomboka mahazo vahana indray ny paikady maloto ara-tserasera ! Tsy resaka fiarovana ny fitondrana ankehitriny, fa moa mety voafaha anatin’ny iray volana ve ny famotehana sy fahapotehana nentina teto sy nikiky nandritra ny 16 taona ? Moa voatototra vetivety ve ny lavaky ny fampahantrana ara-toekarena, sosialy, fa indrindra indrindra ny fahantrana ara-toetsaina ? Rahoviana ihany koa vao ho afaka amintsika ilay finiavana hanohitra fanovana sy fanatsarana na « résistance au changement » ? Dia ho raisina ho jadona ve raha mety hihamafy ny fandraisana fepetra sy fameren-doha ireo diso mibirioka sy mivaona amin’ny demokrasia ? Tsy resaka fifanomezan-tsiny, fa misintona ny sain’ny rehetra haneho sy hifanohana, fa tsy misy fampandrosoana sy fandrosoana vanona ao anatin’ny fitazonana ny toe-tsaina mahantra na hanao mpamosavy malemy ka ny ato an-trano ihany no aripaka. Efa mba nahavita dingana ho any amin’ny fanovana isika, nanome fitokisana an’ireo olobe nekentsika ho mpitondra,… Ekena ary tsy azo lavina fa betsaka ireo tsy fahatomombanana, saingy tsy azo hamaivanina ihany koa ny ezaka sy tari-dàlana ho any amin’ny fanovana sy ny fikatsahana ny soa kokoa ka mbola hoentina politikan’ny fitiavan-tena ka hamingana hatrany ve sa fotoana izao hifanomezan-tànana ho fanaozavana ny Firenena. Na tiana na tsy tiana dia misy finiavana toy ny fanenjehana sy famongorana ny tsimatimanota izao mba hanadiovana ny Firenena mba ho lesona ho an’ireo zatra ny làlan-dririnina sy nihevi-tena ho tompon’i Madagasikara nanao izay danin’ny kibony teto !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT