Edito

Tsy maty manota


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Isan’ny nanamarika ny andro omaly ny fanovana mpikambana teo anivon’ny governemanta, izay nandrasana hatry ny ela.

 

Olona roa no nesorina, ankoatra ny fanendrena olona roa hafa napetraka amina Minisitera iray naverina ho roa toy ny teo endriny teo aloha. Matoa misy ny fanovana sy fikitihana governemanta dia midika fa tsy mahomby ny fitondrana, ary efa fanovana fanindroany no niseho tao anatin’ny herintaona sy tapany. Toa tany amin’ny tsy mivonto no manaintaina araka ny fomba fiteny, raha jerena tamin’ny fanoloana ny Minisitry ny fahasalamana, izay mahery fo no nanasokajian’ny maro an’isa azy, saingy tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra. Mazava ihany koa etsy andaniny, fa toa misy olona tsy “tsy maty manota”, tsy azo kitikitihina ao anatin’io governemanta io na inona na inona mety fahadisoany na fihoaram-pefy ataony. Ny fanadihadiana sy ny fanehoan-kevitra ara-politika, ary indrindra ny zava-misy sy ny fihetsiky ny mpikambana sasany ao anatin’ny governemanta, dia mampiseho mazava, fa misy olona afaka mitandroka ny Filoha na tsy voafehiny ao. Na manaratsy endrika ny fitondrana aza tsy azo ahilika, tsy azo kitihina satria mahalala tsara ny tsiambaratelo mety niarahana mety hampirodana fitondrana raha vaky bantsilana. Raha ny vokatra teo amin’ny asan’ny tsirairay no andrefesana azy, dia mety maro no tsy voatazona tamin’ny toerany, saingy sarotra ho an’ny Filoham-pirenena angamba izany, indrindra amin’izao vanim-potoana mivaivay izao. Asa aloha izay ho fihodin’ny tantara sy ny vokatra aoriana, fa raha izao zava-misy ara-politika sy ara-toekarena ary ara-tsosialy izao, dia tsy misy vahaolana firy andrandraina amin’ity fitondrana ity. Toa ny fanenjehana ny tsy mitovy hevitra ara-politika aminy sy fitodihana lava amin’ny lasa aza no laharampahamehana, fa raha izay fampandrosoana miantraika amin’ny isam-batan’olona toa mbola lavitry ny kitay ny afo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT