Efa tena lasa fomba mahazatra mihitsy ve ilay kitoatoa amin’ny fikarakarana fanadinana sa ahoana e ? Nisy fahatarana 45 minitra indray mantsy tamina foibem-panadinana teto an-drenivohitra ny fanombohan’ny Bacc teknika omaly alatsinainy. Efa hita ihany ny olana samihafa tamin’ny Bepc,
Bacc, ny fanadinana fifaninanana hiditra ho mpiasan’ny ladoany... Mahita havaly hatrany anefa ny tompon’andraikitra. Tsy fahamatorana amin’ny fomba fiasa no azo hamaritana ilay izy. Laza adina tsy misy lahatsoratra ve dia tsy misy mahita mihitsy raha tsy efa any anaty efitrano hanaovana ny fanadinana ? Tsy efa fantatra mialoha ve ny mpiadina ka nahoana no hoe tsy ampy ny isan’ny taratasin’ny laza adina ? Efa fantatra ve fa ho avy ny fanadinana dia tsy mba efa natao vonona mialoha ny zava-drehetra fa aty amin’ny fotoana farany vao hamoaka ny taratasina laza adina dia ambara avy eo fa nisy olana ara-teknika ny « imprimante ». Efa fantatra mazava tsara ny ora hanombohan’ny fanadinana, koa nahoana no tara 45 minisitra ny fahatongavan’ireo laza adina any amina toeram-panadinana izay eto an-drenivohitra fa tsy hoe any amina toerana lavitra be. Azo itarafana hatrany ny tsy fahamatoran’ny fitantanana ny firenena ny tranga tahaka izany e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.