Edito

Tsy matotra


  • Talata 14 Aprily 2015

Mbola voaporofo omaly indray ny fomba fiadin’ny kanosa ataon’ny fitondram-panjakana. Tsy nisy nanome baiko amin’ny fanakanana an’i Marc Ravalomanana hiseho vahoaka na hikabary, hono.

Nanapa-kevitra samirery izany ilay kolonely avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena niambina akaiky ity filoha teo aloha ity tany Antsirabe hoe : « tsy avelako mankany amin’ny Magro ity rangahy ity ». Ary iza koa izany no nanome ny baiko tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina tany Ambositra ny zoma lasa teo nilaza fa tsy mahazo mikabary amin’ny maha filoha mpanampy ny Fjkm azy ingahy Ravalomanana ? Azo adika ihany koa fa tsy fahamatoran’ny fandrindrana ny asa ilay izy raha nohenoina ny fanazavan’ny tale kabinetran’ny filohan’ny repoblika omaly. Rariny sy hitsiny, araka izany, raha tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny zavatra eto satria olona tsy mahalala ny tokony hataony, tsy mahay mifandamina no mitondra ny firenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT