Manomboka miteraka resabe indray ankehitriny ny fifidianana kaominaly. Amin’ity taona ity ihany ve sa hiandry amin’ny herintaona ny fanaovana azy ? Hatry ny ela no efa milaza fa vonona ara-teknika ny CENI-T.
Tsy avy any aloha izany ny olana fa avy aty amin’ny mpitondra fanjakana ary azo antoka fa olana ara-politika. Mbola am-pandaminana ny paikadiny sy am-pametrahana ny rantsa-mangaikany manerana ny nosy ny antoko eo amin’ny fitondrana dia ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) izany, ka izay no mety mahatonga ny fisalasalana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity. Raha ny isan’ny olona voaangon’ny HVM tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tokoa mantsy no jerena dia sarotra ny inoana fa hahazo ny maro an’isa amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna ity antoko vao niforona tamin’ny herintaona ity. Tena tsapa fa tsy mahatoky tena ny HVM ary sadaikatra ihany hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna, fantatry ny mpitondra tsara rahateo ny isam-bato azony nandritra ny fifidianana filoham-pirenena, ary fantany fa tambitamby niampy tolotolotra isan-karazany no nahazoany ny fanohanan’ny solombavambahoaka eny amin’ny antenimieram-pirenena. Ary raha toa aza ka misy ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny eny Tsimbazaza, dia solombavambahoaka firy marina moa izany no ho tonga eny handinika ilay tolo-dalàna hitantanana ny fifidianana kaominaly ? Efa voadinika tsara ve ilay izy sa efa tsangan-tanana sisa atao ? Sao dia ho lany amin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna ho fanitsiana ny tetibola 2014 fotsiny ny fivoriana tsy ara-potoana ho avy eo dia adino ilay fifidianana ben’ny tanàna. Dia indro fa hiverina indray ilay fanemorana daty isaky ny mihetsika tahaka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia izay no izy fa rehefa leo ny olona dia tsy himenomenona intsony fa hanaiky izay mivoaka eo. Mahazo aina ny sasany amin’izay satria mety efa milamina ilay paikady politika hiatrehana ny fifidianana sy hahazoana ny maro an’isa. Ka tsy izany ve ilay hoe : fanadalana ny saim-bahoaka e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.