Edito

Tsy mandeha amin’izay laoniny


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Efa hita taratra ihany ilay tsy fahamatorana fony mbola fitondrana tetezamita.tao ireo nihevitra hoe any aoriana any rehefa miha lehibe sy mianatra dia hahay hamindra tsara araka ny tokony ho izy amin’izay

Indrisy anefa fa ilay fahaizana mampiesona no toa nahazoana traikefa manarapenitra fa ny ankoatr’izay dia mbola zava-doza. Latsaka an-katerena ny firenena, tsy ny valanaretina Covid no hanilihina ny rihitra fa mialohan’io dia efa hafahafa ny fomba fiasa nisy teto. Be loatra ny resaka natao, trano fonenana 50 000 vitaina ao anatin’ny 5 taona, fifehezana ny vidin-tsolika, fampitomboana ny famokarana angovo, fitaovana raitra sy moderna ho an’ny foloalindahy, ho faran’izay hentitra ny ady amin’ny kolikoly , tsy ekena intsony ny tsimatimanota…Izay ny kabary, fa ny zava-misy iainana dia ny mifanohitra amin’ireo : nidangana ny vidin-tsolika, ary rehefa mba midina anefa ny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tsy midina izany ny vidiny eto Madagasikara.Re koa avy eo ananan’ireo kaompanian-tsolika volabe ny fanjakana Malagasy.Niitatra ny raharaha ka lasa misy akony ratsy any amin’ny Jirama izay tena mbola miankin-doha amin’ny solika. Ka rehefa mba tsy simba ny milina mpamokatra herinaratra, dia ny solika indray no , na tsy ampy, na tsy tonga ara-potoana.Resaka tsy fandriampahalemana sy asan-jiolahy izany moa dia efa tena zava-doza fa na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra , na eny amin’ny lalam-pirenena dia jiolahy ary tena tsy mitsitsy.Nipoitra ny bizna maloto hoe halatra zaza sy olona varira, halatra voamaso... Tsy misy andro iray mandalo ka tsy handrenesana herisetra sy vono olona amin’ny fomba feno habibiana, fanolanan-jaza. Ny manampahefana amin’izany miha mitombo isa ihany koa ireo manondrana na voatonona anatina afera maloto sy trafika.Tsy misy mandeha amin’izya laoniny eto, ary andrakandrana no atao, ankinina amin’ny resaka vintana angamba ny fitantanana ny fanjakana na manantena fahagagana tampoka eo.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT