Miankina amin’ny fahavitan’ny fifanarahana voasonian’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ny fivoahan’ny vola fanampiana amin’ny fikarakarana ny fifidianana.
Zavatra efa nampoizin’ireo mpanaraka akaiky ny raharaha politika sy ny fiainam-pirenena ihany izy io. Vantany vao nihena ho roa ny ankolafy nifampidinika dia nazava ny resaka fa ireo olona roa ireo sy ny mpiara-dia aminy no olana eto amin’ny firenena, ary izy ireo ihany koa no tokony hahita ny ampahany betsaka amin’ny vahaolana ivoahana amin’ity krizy ity. Zavatra efa fahita amin’ny fomba famahana krizy ataon’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampihaonana sy fampiresahana ireo mpifanandrina fototra ary ny fampirisihana na fanerena azy ireo mihitsy mba hahita marimaritra iraisana.
Nikatso ny dinika tany Seychelles, nanamafy anefa ny fihaonana an-tampon’ny SADC tao Maputo fa mila tohizana ny fifampiresahan’ny samy Malagasy, ary niverina noresahana indray ny fodian’ny filoha teo aloha. Araka ny fahitan’ireo mpandinika azy dia toa efa fombafomba fotsiny sisa ilay fanaovana fanadihadiana 30 ka hatramin’ny 60 andro, fa raha ny tena izy dia manery ny fitondrana tetezamita hanaiky ny fodian-dRavalomanana eto Madagasikara ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny. Misy dikany avokoa ireo tolo-kevitra na fanambarana avy amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena, efa hatramin’ny 2009 no nazava fa rehefa misy fitoniana sy filaminana eto vao hiverina ny famatsiam-bola avy any ivelany ary na hanampy amin’ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana aza ny Firenena Mikambana dia hafa ny fanomezan-toky, ary mbola resaka hafa ny fanatanterahana azy.
Mazava ny resaka eto fa mikatso ny zava-drehetra raha tsy mahay mifanaraka ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha, ho nofinofy ny fanomanana ara-potoana ny fifidianana raha tsy mahita marimaritra iraisana izy ireo. Lôjika ny tohin’ny resaka avy eo fa mody eto Atoa Ravalomanana, mandray anjara mavitrika amin’ny fiainana ara-politika eto ary kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Dia asa indray izay hambaran’ny ankolafy Rajoelina, fa raha ny fahitana azy izao aloha dia tsy manan-tsafidy....hafa izy ireo e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.