Asa indray izay ho fihetsiky ny lehibe ao amin’ny foloalindahy taorian’ny fihaonana tamin’ireo iraka manokan’ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana avy ao amin’ny SADC notarihan’ilay jeneraly Afrikanina tatsimo.
Misy ny zavatra tsy azo nambara mivantana tamin’ny besinimaro, ao kosa ny fampitam-baovao tsotsotra azo atao. Raha ny marina dia misimisy ihany ireo zava-miafina amin’ity resaka ity. Tsy hivalampatra amin’iny isika fa ny tsara ho fantatra fotsiny dia mandray anjara feno amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny sehatra iraisam-pirenena, ka ny SADC no nampiandraiketiny ny asa rehetra. Tsy azo iadian-kevitra intsony ny amin’io resaka io, antony iray nampitarazoka izao krizy izao ny fieritreretan’ny FAT fa rehefa mihetsiketsika etsy sy eroa maka namana Afrikanina sy Frantsay ary Tiorka izy dia hadinon’izao tontolo izao ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Tsy hoe rehefa misy mpandraharaha vahiny mampiasa vola eto dia midika izany fa mankato ilay fitondrana tetezamita ilay firenena niavian’ireo mpandraharaha ireo. Raha misy ny fiarahabana na fiantsoana hanatrika fivoriana dia tsy izay velively no hidedahana fa hoe nahazo fankatovana iraisam-pirenena i Madagasikara na tafaverina amin’ny toerany. Fomban-javatra ihany ireny fa izay voasoratra ao amin’ny sori-dalana ihany no tena izy, lalan-tokana ivoahana amin’ny krizy.
Mety misy ny olona sosotra na tezitra ny amin’ny hoe fa nahoana moa no tsy maintsy hiandry ny SADC foana isika vao hanao zavatra ? Tsy misy mahadiso izany, saingy tsy misy zavatra hafa azo atao intsony satria i Madagasikara dia mivelona amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany efa ho 35 taona izao. Niova be ihany koa taorian’ny nampiroborobo ny fanontoloana ny fifandraisana iraisam-pirenena. Firenena Afrikanina mahantra sy sahirana i Madagasikara ka tsy afaka mihitsy ny hibaiko an’i Afrika Atsimo na ny SADC na ny vondrona Afrikanina na ny vondrona Eoropeanina hoe : efa ampy izay fa omeo vola amin’izay izahay hahafahanay miasa ! Raha nety izany efa natao tamin’ny aprily 2009, saingy izao iaraha-mahita izao fa tsy tafavoaka ny FAT na hihodin-kavia na hihodin-kavanana. Tsy misy afa tsy ny fampiharana ny sori-dalana no vahaolana, fa anjaran’izay mpitondra ao anatin’ny tetezamita kosa no mifanaraka tsara amin’ireo miara-miasa avy any ivelany ny amin’ny zavatra tena mahamaika an’i Madagasikara sy ny Malagasy, ary rehefa voafidy ny filohan’ny Repoblika faha-IV dia hanohy ny asa amin’ny fifampiraharahana amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanavotana ny toekarena.
Averina eto ihany fa tsy eo amin’izany toerana afaka mandona latabatra hibaiko vazaha izany intsony ny Malagasy. Fifampiraharahana sy fiaraha-miasa no azo atao dia ezahana mba hahazo izay tombontsoa farany betsaka isika, fitiavan-tanindrazana hampandroso ny firenena sy hahatsara ny fiainan’ny vahoaka no ilaina, fa tsy fitiavan-tanindrazana hamakiana ady amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hananganana fahavalo etsy sy eroa. Efa niroboka ao amin’io fifamatorana amin’ny sehatra iraisam-pirenena io i Madagasikara vantany vao nindram-bola na dia iray dôlara monja aza tany amin’ny banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena. Tamin’ny taona 80 sy 90 ka hatramin’izao niara-niasa tamin’ny Vondrona Eoropeanina sy ireo fikambanana iraisam-pirenena hafa tahaka ny UNICEF, OMS, FAO, PNUD…Azo atao hoe tsy manan-tsafidy intsony isika fa na miara-miasa na manidy trano dia hifamono sy hiady isan’andro vao hahita ho hanina, tahaka ny any Somalia.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.