Edito

Tsy manan-kery


  • Alarobia 23 Febroary 2011


Mifarombaka miteny avokoa ireo mpanao politika mivoaka avy amin’ireo antoko nandrafitra ny ankolafy Rajoelina, ary nomena toerana na ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita na ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Mahatsiaro angamba izy ireo fa mihozongozona ny sezany amin’izao fanohizana ny dinika hikatsaham-bahaolana izao, izay antenaina fa hivoaka amina sori-dalana eken’ny rehetra, ka dia miezaka miseho, miteny na dia miteniteny foana aza ny sasany, mba hitazonana seza sao tratry ny hoe izay tsy miteny tsy namako eo.

Dia zary tanisa ny hoe hanao sonia sori-dalana. Fa sori-dalana inona ity hosoniavina ? Ny Dr Simao nanolotra azy aza milaza fa mbola hifandinihana iny, fa tsy raikitra. Raha fanadinam-panjakana izy ity dia mazava fa vakiraoka misafotofoto no tadiavin’ireto mpiadina sasany hotsaraina, na fantany izao aza fa tsy manan-kery izany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT