Edito

Tsy manan-katokona !


  • Talata 05 Jolay 2011

Maromaro ihany ny lahatsoratra navoaka teto momba ny raharaha 7 febroary, satria misy foana ny zava-baovao sy fanampim-baovao momba azy ity.

 Misy lanjany goavana amin’ny fiainam-pirenena sy ny famahana ny krizy ihany koa izy io satria azo nambara fa nanafaingana ny firodanan’ny fitondrana Ravalomanana. Araka ny efa natsidika teto omaly dia hisy indray ny karazana fanadihadiana vaovao momba azy ity ataon’ny fitsarana ny 7 sy 8 jolay ho avy izao. Ny nanaitra kely dia io daty io, satria raha ny tokony ho izy dia amin’ny 7 jolay io koa no handinika ny raharaha Madagasikara ny eo anivon’ny Vaomieran’ny filaminana sy fiarovana eo anivon’ny vondrona Afrikanina, hisy indray avy eo ny tatitra hatao any amin’ny Firenena Mikambana dia hiroso amin’ny fanaovan-tsonia ilay sori-dalana avy eo. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe: mety hisy akony amin’ireo karazana fihaonana hanapahan-kevitra ireo ve ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana malagasy momba ny raharaha 7 febroary. Anisan’ny voaheloka amin’ity raharaha ity mantsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Noho izany, maro no mieritreritra fa karazana don-tandroka avy amin’ny fitondrana tetezamita mba hanalefahana ny herin’ny ankolafy Ravalomanana ihany ny fikitihana indray ity raharaha fitifiran’olona teny Ambohitsorohitra ity. Koa raha milefitra Atoa Ravalomanana, izany hoe tsy miverina eto no sady tsy kandida, dia mety hisy ny fampihenana na fanafoanana mihitsy ny saziny, fa raha manohy ny asa fanoherana ny FAT kosa izy dia mety hihamafy ny saziny sy ireo mpiara-miasa aminy fahiny sy ankehitriny. Mametraka ambony ny adivarotra ny FAT ary tsy misalasala mampiasa izay rehetra eo am-pelatanany hampironana any aminy ny tombontsoa rehetra amin’ny fitantanana ny tetezamita. Na ahoana na ahoana ambaran’ny manampahefana dia mibaribary fa atao fitaovana politika ny fitsarana malagasy ary tsy azo omena tsiny ny olona tsy matoky azy. Akarin’ny FAT ambony ny adivarotra ka ny tanjona dia ny fanakanana tanteraka ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto. Ny amin’ny amiraly Ratsiraka dia azo leferina ihany. Tsy tonga tamin’izao toerana misy azy izao koa i Andry Rajoelina raha tsy nahazo tosika avy any amin’ny villa Madrid, dia io ilay efa nolazaina hoe mety valim-babena angamba. Efa nahazatra hatramin’izay ihany koa ny trangan-javatra tampoka vantany vao misy ny dinika eto an-toerana na any ivelany momba ny krizy. Taloha dia ny baomba no nalaza, efa nandalovana ihany koa ny fakana am-bavany ireo lohandohan’ny mpisorona tao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Samy nandalo fonja izy ireo ary nisy nisafidy ny hamadika palitao. Efa nisy teto hatramin’ny hoe fifofoana ny ain’ny filohan’ny FAT. Dia izany foana no fomba fiady, atao izay hampatahotra na hampilefitra ny mpifanandrina amin’ny tena. Rehefa tsy manan-katokona ambony latabatra marina dia mampiasa fahefana sy ny hery … !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT